Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jolay, 2013
Mbola Velona Tsy Misy Toy Izany Ny Adin'ilay Poeta Aimé Césaire
Nifanindran-dalana tamin'ilay fivoahan'ny didim-pitsarana an'i Trayvon Martin ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Césaire. Mandinika ny fifandraisan'izany i Amadou Lamine Badji ato amin'ity lahatsorany voalohany ho an'i Global Voices ity.
Saron'ireo Teny vahiny Maro Ny teny Nentim-paharazan'i Japana
Lehilahy lehibe iray 71 taona no nametraka fitoriana tamin'ilay Haino aman-jery NHK any Japana noho ny fahasahiranan-tsainy nateraky ny fampiasàn-dry zareo teny vahiny diso tafahoatra. Tena very tanteraka izy raha resaka fandikan-teny, nefa dia ao amin'ny tanindrazany ihany.
Mamakivaky Ny Tantaran'i India Indray Amin'ny Alalan'ny Sarim-pianakaviana
Lahatsoratr'i Ayesha Saldanha nadikan'i Naomy miresaka momba ilay tetikasa manangona sarim-pianakaviana manoritra tsimoramora ny tantaran'i India. Lasa mitantara ny tantaram-pianakaviany ihany koa ny olona noho ilay tetikasa.
Borian'i Tailandy ny Fanampiana mikasika ny Vidim-bary
Nanambara ny governemanta any Tailandy fa mihena ny famatsiam-bola ho an'ny vary izay nomeny ireo mpamboly efatra tapitrisa. Natao hampitombo ny tahirin'ireo mpamboly izany. Manameloka ilay tetikasa fitsinjovana ny voka-bary ho niteraka ireo fatiantoka goavana ara-bola teo amin'ny sehatry ny fambolem-bary ireo mpitsikera.
Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?
Ny fialan'ireo mpanjaka Eropeana roa tanatin'ny volana vitsy monja dia nahatonga ny vahoaka Espaniola haminavina ny mety hialàn'ny mpanjaka Juan Carlos ho an'ny zanany lahy Felipe. Etsy an-daniny, ny vahoaka Belza kosa miomana handray mpanjaka vaovao izay olom-bitsy ihany no matoky azy.
Fasana Talohan'ny Fanjanahana Espaniola, Mbola Tsy Nisy Nipika, Hita Tao Peroa
@mitrataj : Voasongon'ireo arkeology mpamongatra ny rakitry ny ela avy ao Peroa ireo mpamaky fasana tamin'ny alalàn'ny fihazonany ho tsiambaratelo ny voka-pikarohany.
Però : Fankalazana Ny Fetiben'ny Masoandro
Atao ao amin'ny zaridaina arkeolojikan'i Saksaywaman, 15 km avy ao amin'ny tanànan'i Cusco ny Fetiben'ny Masoandro - ny Inti Raym. isaky ny 24 Jona.