Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Marsa, 2018
26 Martsa — Mankalaza ny Fanambarana ny Fahaleovantenany I Bangladesh
''Raha mankalaza ny 26 Martsa, Andro nahazoany ny Fahaleovantenany i Bangladesh, tondraka lahatsoratra kosa ny tontolom-bolongana ao Bangladesh mitantara ilay Tetikady Searchlight natomboky ny Tafik'i Pakistana tamin'ny 25 Martsa 1971 tao anatina ezaka mamoy fo mba hanafoanana ny hetsika Nasionalista nataon'ireo Bengali.''
Tonizia: Fankalazana ny Faha-10 taona Nahafatesan'i Bourguiba
Nahatsiaro ny tsingerintaona faha-10 nahafatesan'ny filoham-pireneny voalohany - Habib Bourguiba ny Toniziana. Mpisolovava Toniziana, mpitondra fanjakana ary mpanorina ny Repoblika Toniziana izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny 25 Jolay 1957 hatramin'ny 7 Novambra 1987.
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Tononkalo, Andininy Sasany Avy Ao Am-pon'i Persia
"Ny alahelo ato am-poko, dia tahaka ny tendrombohitra/Ny fo eo ambanin'ny tratranao, tahaka ny vato."
Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.
Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry ny governemantan'izy ireo izay lazain'ny sasany fa sarimihetsika "politika" ireo blaogera.
Omem-boninahitra Ny Olona Any Armenia Rehefa Manana Voromailala Tsara
Mandritra ny herinandro vitsivitsy ny fifaninanana, ary samy manana ny andro hanidinany ny voromailala tsirairay .