Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Aogositra, 2019

29 Aogositra 2019

Nahazo aingam-panahy tamin'ny lalan'i Baltika 1989, nanao ny rojon'olombelona ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong hitakiana ny fahafahana sy ny demaokrasia

"Nanavatsava fotoana sy toerana ny fahazavan'ny fahafahana. Tena mamirapiratra. #StandwithHongKong #BalticWay [Miaramijoro amin'i Hong Kong, Lalan'i Baltika]"

23 Aogositra 2019

Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana

Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.

21 Aogositra 2019

Indro ny sasantsasany amin'ny hiram-bahoaka ao Moldavia mandray anjara amin'ny kolontsain-tsary-sy-soratra manerantan

Vitsy ny olona mahatsiaro izany, saingy manana fiaviana moldavy ny sary-sy-soratra roa malaza erantany raha ny marina.

20 Aogositra 2019

Fahatsiarovana ny fitroarana ho amin'ny demokrasia tamin'ny taona 1988 tany Myanmar

"Nilaza ny gazetin'ny governemanta fa 300 no maty saingy nanombana ny loharanom-baovao tsy miankina fa impolo avo heny noho izany ny tena tarehimarika marina."

17 Aogositra 2019

Mozean-javamaneno nentin-drazana tokana ao Nepal miady aman'aina hanavotana zavamaneno tsy fahita firy

Miatrika fanesorana azy ity mozea tsy manampaharoa ao Nepal ity ao anatin'ny tsy fahazoana fanohanana avy amin'ny mpikaroka sy ny mpitsidika amin'ny ankapobeny. Niresaka tamin'i Ram Prasad Kadel, mpanorina sy mpanangona, ny Gobal Voices.

12 Aogositra 2019

Nitarika herisetra ny tsahon'ny fanaovana “sorona olombelona” ho an'ny tetezana Padma tany Bangladesh

Valo no olona notanana manerana an'i Bangladesh noho ny fanelezana ny tsaho tao amin'ny Facebook nilaza fa 'mila lohan'olombelona sy ra hatao sorona ho an'ny tsangan'ny tetezana Padma' .

Sonia manan-tantara nifanaovan'ny oniversite roa momba ny fanonerana ny fanandevozana any Karaiba

Izao fifanarahana izao no manamarika fa sambany nisy toeram-pianarana britanika niala tsiny tamin'ny tombombarotra azony tamin'ny fanandevozana ary mamatotra fa afaka anaovana fanonerana ny vola sy ny loharanomboka

08 Aogositra 2019

Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”

Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba 'hanongotra' ny fisian'ny hafa - farafaharatsiny ao amin'ny aterineto. Bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.

06 Aogositra 2019

Andron'ny Fahafahana ao Trinidad & Tobago — fa tena afaka tokoa ve aloha ilay firenena e?

"Fonosin'io fahafahana io daholo ny fahafenoana sy ny harena maha-ianao anao, ny niavianao, ny rà sy ny tantara mikoriana ao anatinao."

02 Aogositra 2019

Tantaran'i Shina voasivana: Ny tolona hitondrana ny tsiaron'ny fandripahana tao Tiananmen mankany amin'ny hoavy

GV Mpisolovava

Amin'ny alalan'ny asakanto, hira ary sary-sy-soratra no anivahan'ny Shinoa mpisera aterineto ny sivan'ny fandripahana tao amin'ny kianjan'ny Tiananmen tamin'ny taona 1989.