· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jolay, 2018

Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo

  22 Jolay 2018

Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.

Nahafaty olona 170 ireo fanapoahana baomba mialoha ny fifidianana ao Pakistan, mampihemotra ny fanantenana isian'ny fandrotsaham-bato milamina

  20 Jolay 2018

Fanafihana iray monja, tamin'ny 13 jolay nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny Antoko Awami Balochistan, dia efa nahafatesana olona 129 sy naharatrana olona am-polony. Iny no fanafihana nahafatesana olona indrindra tao Pakistan taorian'ny fitifirana tsy mitsahatra nahafatesana olona 141 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, tamin'ny desambra 2014.

Te ho maritiora ve sa tsia

Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.