· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Avrily, 2008

Guyana : Vidin'ny vary

  29 Avrily 2008

Rice is the new pearl, “Ny vary no perla vaovao” araky ny nambaran'i Guyana-Gyal raha manomboka hita ny vokadratsin'ny fidangan'ny vidin-tsakafo.

Okraina: Tsiaro an'i Chernobyl

  27 Avrily 2008

Mahatsiaro an'i Chernobyl i Déjà Vu – The Uncanny Feeling: “Raha mieritreritra momba ny Chernobyl aho … […] … nahita an'i Katya tao Kiev, 90 km atsimon'i Chernobyl, aho tamin'ny faha-16n'ny taonany, matin'ny tahotry ny loza izay tsy azony jerena na hevitreverina akory, nandray fiaran-dalamby ho any Leningrad handositra ny...

Okraina sy Rosia: Ireo dadan'ny filoha

  22 Avrily 2008

Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa – “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa – dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i...

  22 Avrily 2008

Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay...

Haiti: Ny anton'ny rotaka

  17 Avrily 2008

Lazain'ny The Haitian Blogger  (mpamaham-bolongana Haisiana) fa “diso toerana (babangoana na hafahafa) ny mandre ny filazan'ny  Amerikana ‘fahombiazana’ tamin'ny rotaka miady hanina any Haiti.”

Vietnam: Androm-pahatsiarovana ny mpanjaka Hung

  17 Avrily 2008

Ny mpamaham-bolongna Faster than the Fastest (haingana noho ny tena haingana) no manontany: “Fantatry ny Vietnamiana rehetra fa 18 ny isan'ny mpanjaka Hung 18 tao anatin'ny 4000 taonan'ny tantara, Nahoana moa no ao anatin'ny iray andro ihany no ahatsiarovana azy ireo? Fa angaha andro mitovy no “niambohoan” izy rehetra?”

Syria: 60 taona taorian'ny Deir Yasin

  16 Avrily 2008

“Raha miomana hankalaza ny faha-60 taona ny Isiraeliana, ary ny palestianiana kosa feno 60 taona izay ny nakana ny tany taminy, dia tsy maintsy manome voninahitra ireo lavo tao anatin'ny habibiana nitranga nandritra ny fandripahana tao Deir Yasin tamin'ny 9 Avrily 1948 isika,” hoy Rime Allaf, izay nahatsiaro ny faha-60...

Jamaika, Shina: Ny politikan'ny fanatanjahantena

  11 Avrily 2008

“Inona moa no lazainy momba antsika raha ataontsika ho faralahim-pahamehana ny zon'olombelona fa zarantsika aza mijery fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro? Raha tsy fantatrao izay ataon'i Shina any Tibet dia tsy mametraka antsika ho tompon'andraikitra mihitsy ve izany?”: Nifantoka tamin'ny politikan'ny lalao olaimpika ho avy io ny resak'ilay...

Japàna : Fankalazana ny filahiana

  10 Avrily 2008

Lee no manapariaka ao amin'ny blaogy Tokyo Time andiantsary nalaina nandritra ny fankalazana ny isantaonan'ny “fananana anaka” [fertility festival | festival de la fertilité] tany Hachiman-gu Shrine, Japàna : The morning’s penis-based proceedings eventually building up to an incredible climax, that sees the colossal cocks carted through the crowd. Which,...

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

  07 Avrily 2008

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo...