Ny 29 sy 30 Jolay dia nampiantrano ny Fetiben'ny Dinôzôro voalohany i Môngôlia, izay kasain'ireo mpikarakara havadika ho hetsika iray fanao isantaona mba hisarihana mpizahatany. Ny hetsika dia hatao eo amin'ny toerana arkeôlôjika ao Bayanzag ao amin'ny faritany Atsimon'i Omnogovi, any amin'ny tany hain'i Gobi. Ny Toerana paleôntôlôjika an'i Môngôlia, izay mikarakara ilay Fetibe dia mampanantena fandaharana iray ahitana fampirantiana rakitry ny fahagola, fampisehoana amin'ny lazera, fampisehoana hôlôgrafika ary fitsidihana manokana miaraka amin'ireo mpihaza fôsilin'ireo dinôzôro.
Ity ny lahatsary YouTube mikasika ilay Fetiben'ireo Dinôzôro manaraka ao Môngôlia.
Tamim-pitandremana tsara no nifidianana ny daty sy ny toerana hanaovana ny hetsika satria manan-danja lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina paleôntôlôjika eran-tany. 100 taona katroka lasa izao ny talen'ny Mozea Amerikana momba ny tantara natoraly, Roy Chapman Andrews, no nahita voalohany ireo atody dinôzôro tao amin'ny valanjavaboaharin'i Bayanzag, izay nantsoiny hoe Flaming Cliffs. Ny zava-baovao tamin'izany vanim-potoana izany ny zavatra hitany satria nanaporofo fa nanatody ireo dinôzôro, tahaka izay ataon'ny vorona rehetra ankehitriny, ary niteraka teôria nilazana fa ny vorona dia taranak'ireo dinôzôro.
Ity ny lahatsary YouTube iray ahitàna an'i Roy Chapman Andrews sy ny ekipany nikaroka fôsily tao Atsimon'i Môngôlia tamin'ny fiandohan'ny taona 1920.
Mbola betsaka kokoa no ho avy ao anatin'ny taona vitsivitsy, hahatonga an'i Môngôlia ho iray amin'ireo firenena tena manan-danja amin'ny fandalinana ny dinôzôro sy ny tantara tranainy. Tao anatin'ny roa taona monja i Andrews sy ny ekipany dia nahita dinôzôro maherin'ny 100 ary nentin'izy ireo tany Etazonia mba ho aranty tao amin'ny mozea. Nampalaza an'i Andrews tao anatin'ny vondrom-piarahamonina siantifika ireo zavatra hita ireo, hany ka nahatonga azy ho aingam-panahy ho an'i Indiana Jones, arkeôlôgy noforomporonina sy mpivenjivenjy. Nanakana an'i Andrews tsy hiverina hanao dia lavitra kokoa ny korontana ara-politika nitranga tao Môngôlia nandritra ny fiandohan'ny taona 1920.
Na izany aza,ny zavatra hitany dia efa nametraka an'i Môngôlia ho toerana fitodiana voalohany ao anatin'ny sarintany paleôntôlôjika eran-tany. Ny iraka niraisana Sôvietika-Môngôlia tamin'ny taona 1940 sy ireo iraka niraisana Pôlônina-Môngôlia tamin'ny taona 1960 sy 1970, dia nitondra ho amin'ireo fahitana karazana dinôzôro marobe, izay tsy fantatry ny olombelona taloha ny ankamaroan'izy ireo.
Amin'ireo karazana dinôzôro 400 hita hatramin'izao, ny 80 amin'ireo no avy any Atsimon'i Môngôlia, izay niaina nandritra ny vanim-potoana Crétacé tamin'ny vanim-potoana Mesôzôika. Ohatra ny velociraptor, izay hita tao anatin'ny sarimihetsika Jurassic Park, ny oviraptor, ary ny protoceratops dia hita voalohany tany amin'ny faritra Mongoliana tany an-tanihain'i Gobi. Iray amin'ireo fôsilina dinôzôro malaza indrindra, ireo Dinôzôro Mpiady, izay mampiseho ny ady nifanaovan'ny velociraptor sy ny protoceratops, hitan'ireo paleôntôlôgy Pôlôney sy Môngôla tamin'ny taona 1971.
Ity ny bitsika iray misy ny sarin'ny fôsilin'ny Dinôzôra Mpiady.
Our favorite fossils for #FossilFriday! The Fighting #dinosaurs, protoceratops vs velociraptor was discovered in 1971.#ProtoceratopsWeek pic.twitter.com/yFnQUIpJPV
— Institute for the Study of Mongolian Dinosaurs (@MongolianDinos) August 4, 2017
Ny fôsily ankafizinay indrindra ho an'ny #FossilFriday! Ireo #dinôzôra Mpiady, ny protoceratops vs velociraptor, hita tamin'ny taona 1971, .#ProtoceratopsWeek pic.twitter.com/yFnQUIpJPV
— Institute for the Study of Mongolian Dinosaurs (@MongolianDinos) 4 Aogositra 2017
Ny dinôzôro tena malaza indrindra hita tao Môngôlia dia ny Tarbosaurus baatar (T-baatar), antitra indrindra 70 tapitrisa taona, heverina ho toy ny rahalahy Aziatikan'ny mpiremby Tyrannosaurus rex tao Amerika Avaratra. Io no tena arantiranty be ao amin'ny Mozea Foibe ho an'ireo dinôzôro Môngôla hita ao Ulaanbaatar renivohitr'i Môngôlia.
Mampahatsiahy ny fanamby lehibe indrindra natrehan'ny vondrom-piarahamonina paleôntôlôjika Môngôla ny tantaran'ny T-baatar : ny fanondranana an-tsokosoko ny fôsily dinôzôro. Naverina tany Môngôlia izy tamin'ny taona 2013, rehefa saika namidy nandritra ny varotra ampahibemaso tao New York tamin'ny taona 2012. Tamin'ny taona 2016, fôsily maherin'ny 30 no navotana nandritra ny varotra ampahibemaso Amerikana ary mandravaka ny efitranon'ny Mozea Foibe ho an'ireo dinôzôro Môngôla izy ireo ankehitriny. Ny iray tamin'ireo dinôzôro Môngôla naondrana an-tsokosoko sy naverina indray taty aoriana dia voalaza fa novidian‘ny mpilalao sarimihetsika ao Hollywood, Nicholas Cage.
Ny olo-malaza ao ambadiky ny asa fanavotana dia ilay paleôntôlôgista Môngôla Bolortsetseg Minjin. Izy no mpanorina sady lehiben'ny Ivontoerana fianarana mikasika ireo dinôzôro Môngôla, izay ny asa atao dia ny fitehirizana ny vakoka fôsily an'ny firenena sy ny fanabeazana ny andian-taranaka manaraka amin'ny paleôntôlôjia Môngôla. Isaorana ny olona toa azy izay nahafahan'i Môngôlia nitaky ny lova dinôzôro-ny ho anisany maha-izy azy nasionaly amin'ny fankalazana ny paleôntôlôjia manerana ny firenena. Koa satria nambaran'i Môngôlia ho taonan'ny fizahantany ny taona 2023 sy 2024, dia nitodika tamin'ireo dinôzôrony izy amin'ny fikarohana izay fomba hisarihana ireo vahiny mpizahatany. Ary ireo dinôzôro Môngôla mety afaka hanao izany .