Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2015

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Aogositra, 2015

Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena

Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.

Mampiseho Ny Ratra Tsy Sitran'i Chili Ny Fahafatesan'ilay Lehiben'ny Polisy Miafin'i Pinochet

Mampiseho firenena mbola sahirana ny hihàvana amin'ny lasany ireo fihetsika taorian'ny nahafatesan'ny lehilahy faharoa nikoizana tamin'ny fitondrana jadon'i Augusto Pinochet tao Chili.

Te-Hahita Ny Tanàna Afrikàna Afaka Voalohany Tao Amerika Ve? Mandehàna Ao Meksika

Amin-pireharehana no izaràn'ireo Afro-Meksikàna ny tantaran'i “El Yanga,” izay toa printsy nandevozina avy amin'ny foko Yang-Bara any Gabon, nanampy ireo andevo ho afaka teo ambanin'ny Espaniola tany amin'ny manodidina ny 1570 tany.

Ny Galoà “Y Wladfa”: Ohatra Tsy Fahita Firy Amin'ny Voanjo Vahiny Miaina Am-pilaminana Any Amerika Atsimo

Galoà 150 mpifindra monina no nidina avy tamin'ny sambo Chandler Mimosa tany Patagonia Arzantina tamin'ny 1865 ary nametraka foto-drafitrasa, hany tranganà famoronana am-pilaminana tanàna vaovao tany amin'ny tanibe Amerikana.

Nagasaki : Fitsidihana Amin'ny Alàlan'ny Sarintany Ny Taloha Sy Ny Taorian'ny Baomba

Fiaraha-miasanà tranonkala mifototra amin'ny Google Earth ary mampiseho an'i Nagasaki- taloha sy taorian'ny daroka baomba atomika tamin'ny 9 Aogositra 1945 ny Nagasaki Archive.

Hahazo Ny Rariny Ihany Ve Ireo Niharam-boina Tamin'ny Fitondrana Jadon'i Pinochet?

Mino aho fa zava-dehibe hoan'ny firenentsika ity tsy fanajana intsony ny fifanaraham-pahanginana taorian'ny taona maro ity. Taloha sy taorian'ny tolona ho an'ny zon'olombelona izany.

Fotoanan'ny Afomanga Any Japana Ny Fahavaratra

Fampisehoana afomanga goavana sy miavaka no atao manerana an'i Japana ny volana Jolay sy Aogositra.

Ahoana No Tsy Anatrehana Fanonganam-Panjakana

Fotoanan'ny " Taiza ianao tamin'ny namonoana an'i JFK" an'i Trinite sy Tobago, ny fanandramana fanonganam-panjakana ny 27 Jolay 1990. Fa ahoana raha tsy teo amin'ny firenena ianao tamin'izany fotoana izany?

Taom-bolamenan'ny firenena mampanembona ny Singapaoreana ao amin'ny aterineto

"Ny tanjona voalohany dia ny hamelomana indray ny tsiaron'ireo taranaka taloha sy hampiditra amin'ireo tanora ny tantara lalin'ny Tanànan'ny Liona sy ny fisandratany mankany amin'ny fahombiazana."