
Tazana hatrany Jerosalema-Atsinanana ny moskea Al Aqsa, izay misy ireo fianakaviana tandindonin'ny fandroahana an-kery ataon'ireo andiana Israeliana mpanjanaka tohanan'ny Fanjakana. Sary an'ny Free Jerusalem. Nampiasaina nahazoana alalana.
[Rehefa tsy misy fanamarihana hafa dia mitondra mankany amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra]
Miady amin'ny fandroahana an-keriny amin'ny fonenany efa ho efapolo taona izao ny fianakaviana Ghaith, izay nipetraka tao amin'ny faritra miozolomana ao Jerosalema hatramin'ny taona 1945. Mikiry amin'ny ezaka ataony ireo fikambanana Israeliana mpanjanaka mba hanalàna azy ireo sy hakàna ny tranony ho fonenan'ny Jiosy. Ny didy vao haingana navoakan'ny fitsarana dia manome rariny ny vondron'ireo mpanjanaka ary mamela ilay fianakaviana tsy hanana fiarovana.
Efa hatramin'ny taona 1948 no nipetraka tao amin'io trano io ny fianakaviana Nora Ghaith. Tamin'ny taona 1953, nahazo fanekena fanofàna trano tamin'ny governemanta Jordaniàna ny fianakaviana, fahefana ara-pitantanana ao Jerosalema hatramin'ny taona 1950 taorian'ny Nakbah [fr] (“Loza”) tamin'ny taona 1948.
Nitarika hatramin'ny faharavan‘ny fiarahamonina Palestiniana sy ny fanisahan-toerana ireo teratany Palestiniana maherin'ny 700 000 ny Nakbah mba hanorenana ny Fanjakan'i Israely.
Voatery nandao ny fiainany sy ny fananany ireo Palestiniana ary, nandritra ny fitopolo taona, niady ho an'ny zony hiverina hody izy ireo [fr].
Hatramin'ny taona 1953 dia nokilasiana ho toy ny “mpanofa voaaro” ny fianakaviana Ghaith, niaro azy ireo tamin'ny fandroahana raha mbola manan-kery io sata io.
Na teo aza ny « Naksa » [fr] (« fivadihan-javatra») tamin'ny taona 1967, rehefa noraisin'i Israely ny fifehezana an'i Cisjordanie [fr] sy ny Lemak'i Gaza, tamin'izay noheverin'ny Firenena Mikambana ho toy ny fanakambanana tsy ara-dalàna, dia nitazona ny anjarany ny fianakaviana ary nandoa tamim-pahatokisana hatrany ny hofan-trano tamin'ny Jeneraly Mpiambina Israeliana.
Tamin'ny resaka WhatsApp nifanaovan'ny Global Voices sy ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Raafat Sub Laban — zanaka lahin'i Nora Ghaith sady mpiasan'ny HCR – dia nohazavainy ny fifandraisan'ny fianakaviany amin'ilay trano. Ny rainy, Mustafa Sub Laban, 73 taona dia namonjy ny vadiny Nora, 68 taona ankehitriny, rehefa nivady izy ireo tamin'ny taona 1978, ary nipetraka tao izy ireo hatramin'izay. Manamafy Sub Laban hoe :
Nipetraka tao nandritra ny androm-piainany ny reniko. Tamin'ny taona 1970, nezahan'ny hetsika Shuvu Banim nataon'ny mpanjanaka norahonana ny dadatoako [anadahin'i Nora] mba hahazoana ny zo maha-mpanofa. Izy no loham-pianakaviana taorian'ny nahafatesan'ny ray amandreniny. Na izany aza, noho ny fandàvany, noketrehan'ny mpanjanaka ny handroahana azy hankany Jordania. Ny ray sy reniko no nandray ny fiandraiketana ilay trano nanomboka hatreo.
Manana faka lalina ao Jerosalema ny fianakavian'i Sub Laban, ampolony taona maro talohan'ny namoronana an'i Israely. Tafakatra hatrany amin'ny ‘soufi’ iray manampahaizana izay nifindra tany Jerosalema tamin'ny 1692 ny firazanan-dry zareo. Nanana fananana marobe ny fianakaviana, anisan'izany ny tranobe malaza misy ny Tranombakoka Arkeôlôjika Rockefeller ao Jerosalema, nohiazan'i Israely tamin'ny 1948 sy 1967. Manazava ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'ilay trano izany tantaram-piainana izany, sahala amin'izay nofaritan'i Sub Laban.
Mbola nahatsiaro saina tsara izahay hoe io no fananan'ny ray amandreniko farany ka zava-dehibe ho anay ny manavotra azy. Nezahanay hatrany ny hitazonana ny fisiana ao amin'ilay trano.
Nogiazan'i Israely ny fanananay, ary amin'ny maha-Palestiniana, dia tsy nomena anay ny zo hitaky ny fitompoana azy io. Nandritra izany fotoana izany dia nomena zo hitaky fananana ry zareo Jiosy, na iza na iza tompony. Tsy rariny tsotra izao izany.
Tamin'ny taona 1970, nandany lalàna fitantanan-draharaha iray i Israely izay nihazona ny rafitra fanavakavaham-bolon-koditra, nanome vahana kokoa an'ireo Jiosy miohatra amin'ireo tsy Jiosy. Hahafahan'ny mpanjanaka mamerina ny fananan'ny Jiosy talohan'ny taona 1948 tao Jerosalema-Atsinanana izy io , na dia tsy misy ifandraisany aza. Na izany aza, tsy nomena zo hitaky ny fananany any Jerosalema-Andrefana ireo Palestiniana. Ity lalàna ity dia nohararaotin‘ireo fikambanana mpanjanaka mba hanimbàna ny zo amin'ny fananan'ny Palestiniana ao Jerosalema-Atsinanana.
Adim-pitsaràna mandritra ny androm-piainana manontolo
Tafiditra tanaty adim-pitsaràna nandritra ny 40 taona tamin'ireo vondrona mpanjanaka ny fianakaviana Ghaith Sub Laban
Araka ny voalazan'ny Ir Amim, Fikambanana Israeliana tsy Miankina amin'ny Fanjakana, izay mitolona hisiana Jerosalema iray tsy miangatra, ny tranga manjo ity fianakaviana ity dia misy idiran'ny vondrona Atara Leyoshna mifandray amin'ny Ateret Cohanim [fr], fikambanana mpanjanaka iray fantatra amin'ny ezaka ataony hamadihana an'i Jerosalema hankany amin'ny jodaisma amin'ny alalan'ny fandroahana ireo mponina teratany, anisan'izany ilay fikasana malàza hangiazana ireo hôtely kristianina malaza eo akaikin'ny varavaran'i Jaffa.
Nomarihan'i Sub Laban fa fianakaviana Palestiniana hafa no tsy maintsy niatrika fandroahana tsikelikely :
Noroahana an-keriny tamin'ny taona 1982 na 1983 ny fianakaviana Karaki izay nampiasa voalohany ilay trano mifanakaiky amin'ny tranon'ny fianakaviako. Avy eo, nohalehibeazin'ireo mpanjanaka ny trano ary nohidiany ny fidirana mankao amin'ny fianakaviako. Tamin'ny alalan'ny tranon'ny mpifanila vodirindrina sisa no hany tokana nidirana tao amin'ilay trano. Ho valin'izay, nandraman'ny ray amandreniko ny nametraka fitoriana ary niaritra fiandrasana 17 taona mandra-pahatongan'ny mpitsara iray nanome fahafahana hanokatra fidirana iray vaovao nony farany.

Manohitra miaraka amin'ireo fianakaviany i Nora. Tsy mahazo manangana ny sainan-dry zareo ny Palestiniana ; ny sarina pasteky kosa no nampiasainy satria mitovy loko, 19 Jona 2023. Sary an'ny Free Jerusalem. Fampiasàna nahazoana alalana.
Tamin'ny May 2010, mifototra amin'ny lalàna tany amin'ny taona 1970 dia nafindran'ny Mpiambina Jeneraly ho an'ny Atara Leyoshna ny fananan'ny fianakaviana Ghaith-Sub Laban.
Fotoana vitsy taorian'ny nahazoay ilay fananana dia nanao hetsika ho fandroahana ny fianakaviana Ghaith-Sub Laban ny Atara Leyoshna. Nentina teo anatrehan'ny Fitsarana Tampony ny raharaha tamin'ny taona 2016. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa ho roahana ny zanak'i Nora sy Mustafa, saingy nomeny antoka ireo mpivady, amin'ny maha-mpanofa arovana azy, hanana ny zo hijanona ao amin'ny tranony mandritra ny 10 taona fanampiny, namotika ilay fianakaviana.
Tamin'ny 2018, nandefa fitoriana iray hafa ireo Israeliana mpanjanaka ho fandroahana, manamafy fa nohitsakitsahin'i Nora sy Mustafa ny voalaza ao anatin'ny fepetran'ny “fanofana trano voaaro” tamin'ny alalan'ny fandaniana fotoana lavabe lavitry ny tranon'izy ireo. Nila fanampiana ara-pitsaboana i Nora ary nipetraka vonjimaika tao amin'ny trano fonenan'i Raafat tao amin'ny tobin'i Shofat [fr], izay nifindrany niaraka tamin'ny zandriny faravavy taorian'ny fandroahana azy ireo. Tena nilaina io fandaminana io, araka ny fitantaran'i Raafat, voaràra tsy nahazo niara-nipetraka tamin'ny ray amandreniny ireo ankizy rehefa alina.
Tamin'ny fiandohan'ny 2018, nandeha nanao fivahinianana masina tany Omra [fr] ny reniko. Efa nanana olana tamin'ny tendany sy ny taolana teo ambanin'ny lamosina izy, izay niharatsy nandritra ny dia. Koa satria mila fanampiana izy mandritra ny fotoana fakàny aina dia nijanona niaraka tamiko.
Nanara-maso akaiky ny fivezivezen'ny reniko ireo mpanjanaka tamin'ny alalan'ny kamerà, ary hitany ny tsy naha-teo ny reniko. Na izany aza, nivezivezy teo amin'ny tranon'izy ireo sy ny tranoko ny raiko nandritra io vanim-potoana io.
Nohararaotin'ireo mpanjanaka ny tsy naha-teo an'i Nora nandritra ny fiandrasany fahasitranana mba hanamarinana fa very ny satany amin'ny fanofàna trano voaaro. Na dia teo aza ny anton-taratasy ara-pahasalamana avy tamin'ireo Israeliana mpanome tolotra ara-pahasalamana natao ho porofo, dia nitsara tsy an-drariny ny tribonaly ambaratonga ambany ka nanome rariny ho an'ilay vondrona mpanjanaka. Tsy ela akory izay, nolavin'ny Fitsarana Tampony ny fangatahan'ny fianakaviana hampiakatra fitsarana ilay didy.
Mpiara-dia tsy nampoizina tonga mitolona miaraka amin'ny fianakaviana

Iraka diplomatika ao amin'ny tranon'i Ghaith Sub Laban. Nihaona tamin'ireo fianakaviana Palestiniana voarahona horoahana an-keriny ilay iraka. Ahitana an'ireto solontena ireto izy io : Belzika, Bolgaria, Shipra, Danemark, Finlandy, Frantsa, Gresy, Irlandy, Meksika, Pays-Bas, Norvezy, Pôlônina, Portiogaly, Slôvenia, Espaina, Soeda ary ny Fanjakana Mitambatra. Sary nomen'i Raafat Sub Laban. Fampiasàna nahazoana alalana
Miatrika fandroahana tsy ho ela i Nora sy Mustafa, heverina ho eo anelanelan'ny 28 Jona sy 23 Jolay 2023. Rehefa tapi-dalan-kaleha tamin'ny làlana rehetra ara-dalàna, ny hany fanantenana tokana ho azy ireo ankehitriny dia ny fidiran'ny governemanta an-tsehatra, izay mety mba ho voatosiky ny hevitry ny vahoaka sy ireo ezaka fandresena lahatra, araka ny fitantaran'i Raafat.
Free Jerusalem, ivondronan'ireo Israeliana mpikatroka mahery vaika monina ao Jerosalema Andrefana, dia manolo-tena ho amin'ny fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra Israeliana sy ho amin'ny fanohanana ireo Palestiniana ao Jerosalema voabodo. Tafiditra anatin'ny iraka ataon'izy ireo ny ady hanoherana ny famindràn-toerana ireo fianakaviana, ny famotehana trano, ny herisetra ataon'ny pôlisy, ny herisetra ataon'ireo mpanjanaka, ankoatry ny fanao hafa sy ny pôlitika tsy ara-drariny ataon'i Israely.
Nanomboka ny taona 2015 ilay hetsika no nanohana ny fianakaviana Ghaith Sub Laban. Mitondra fanohanana ho an'ny fianakaviana 24 ora amin'ny 24 ora izy mba hisarihana ny saina sy ny firaisankina avy amin'ireo vondrom-piarahamonina Israeliana sy iraisam-pirenena.
Tao anatin'ny fifampiresahana WhatsApp niaraka tamin'ny Global Voices, Gal Kramarski, mpitondra tenin'ilay hetsika, no nanambara ny firafitra saropady sy manintona novolavolain'i Israely mba hamindràna toerana sy handroahana ireo Palestiniana hiala ao Jerosalema, ka hiteraka fahafahana ho an'ireo sionista mpanjanaka mba hisolo azy ireo. Notsipihany ny filalaovana ilay lalàna manavakavaka amin'ny alalan'ny dingana lazaina fa ara-dalàna mba handroahana an-keriny ireo fianakaviana sy hamelàna azy ireny tsy hanana fialofana.
Fianakaviana an-jatony no miatrika ity fandrahonana ity ary miaina tsy tapaka ao anaty tahotra sy tebiteby. Ity zava-misy mampiahiahy ity, izay hitantsika ihany koa ao Sheikh Jarrah, Silwan ary ireo faritra Palestiniana hafa ao Jerosalema, no atrehan'ny fianakaviana Ghaith-Sub Laban ankehitriny.
Marihanay fa tsy fifandirana mikasika ny fananantany fotsiny izy ity, tahaka izay lazain'i Israely, fa fandripahana foko mihitsy, ka tsy maintsy hatsahatra.