Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Janoary, 2022
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Bangladesh : Fifandonan'ny olombelona sy ny elefanta, mety hitondra any amin'ny faharinganan'ny elefanta
Hatramin'ny Janoary 2020, nisy efa ho telopolo tany ho any ireo elefanta mponina maharitra sy mpivenjivenjy no nisy namono tany amin'ny faritr'i Bangladesh. Tamin'ny Novambra 2021 fotsiny, fito no maty
Mbola tsy mivaha ny raharaha lazaina fa nanapahan'ny polisy jamaikana ny dreadlocks ny vehivavy iray
Ramatoa King no tandindon'ny 'tsy manana;' ao Jamaika, izay tsy raharahiana ny zo maha-olombelona azy ary matetika tsy voahaja sy araraotina.
Paortiogaly : mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mitolona manohitra ny fanavakavahana, notolorana loka iraisampirenena
Mamadou dia iray amin'ireo feo tena re amin'ny hetsika manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Paortiogaly. Matetika ihany koa izy no lasibatr'ireo hetsiky ny elatra farany havanana sy néo-nazis.
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.
Zava-misy niadian-kevitra: ‘Bombtrack’ sy ny ady mitam-piadiana anatiny ao Però
"Nasehon'ny tarika ho toy ny fikomiana amin'ny 'rafitra kapitalista Yankee' ny Sakelika Mamirapiratra, saingy maro ny Peroviana mahatsiaro ny fikambanana ho toy ny mpandray anjara tamin'ny vanim-potoana maizina rehefa nifoha tao anatin'ny tahotra hody an-trano ny olona."