Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Novambra, 2016

30 Novambra 2016

‘Ny Tantara no Hanadio Ahy':  Nodimandry Teo Amin'ny Faha 90 Taonany I Fidel Castro

Azo antoka fa lasa olo-malaza izy ho an'ireo izay mankasitraka azy sy ho an'ireo izay mandà ny maha-mpitarika ara-dalana azy.

17 Novambra 2016

Velona Ao Amin'ny Aterineto Ny Taompolo 1990 Tao Japana Noho Ny Sangan'asan'ny Lehilahy Iray

Manome topi-maso mahafinaritra momba ny fiainana tao Japana nandritra ny taompolo 1990 ny tranonkala goavan'i Lyle Hiroshi Saxon.

Nampiasaina Hanoherana ny Fanjanahana Ara-Tsaina Mialoha ny Hitsidihan'ny Printsy Harry an'i Karaiba ny Tenirohy #NotMyPrince

"Nahoana no tsy maintsy ilain'ny Satroboninahitra ny hanana anjara toerana saimbôlika, ara-danonana na ara-dalampanorenana aty amin'ny karaiban'ny taonjato faha-21?"

16 Novambra 2016

Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi

Noheverina ho mahafinaritra tamin'ny voalohany ireo fitafiana iraisan'ny Keyakizaka46 niatrika ny Halloween. Saingy nisy ny olona nanamarika fa mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ireo fanamiana ireo. Ampy na tena izy ve ny fialantsiny?

08 Novambra 2016

Mikasa Hanome Famindrampo Manatantara Ho An'Ireo Maherifom-pirenena Sy Ireo Mpiady Hanafahana Azy I Jamaika

Mitehaka amin'ny volavolan-dalàna mikendry ny famafana ny rakitra heloka bevava an'ireo mpiady ho amin'ny fahafahana sy ireo maherifom-pirenena hafa ireo Jamaikana ary nilaza fa tokony efa natao hatry ny ela ny hetsika.

07 Novambra 2016

Mandrakitra Ny Tolon'ny Vahoaka Indizeny Lumad ao Filipina Ity Tranom-bakoka Ao amin'ny Tobim-pihetsiketsehana ity

"Tsy toy ny tranombakoka ankehitriny, na akademika izay mirona amin'ny fandraisana ny endrika sy ny zavatra indizeny ho toy ny zavatra tsara tarehy aranty fotsiny, sy tsy mifandray amin'ny fanamafisana ny hetsika ara-tsosialy ho an'ny zon'ny vahoaka indizeny ity tranom-bakoka ity."

04 Novambra 2016

Mandritra Ny Roanjato Taonan'ny Fahaleovantena Arzantina, Ny Zato Taonan'ny Hatsaran-Tarehy Sy Ny Tantara Ao Anatin'ny 80 Segôndra

Ho fankalazana ny 200 taonan'ny fahaleovantenan'i Arzantina, namoaka lahatsary 100 taonan'ny hatsaran-tarehy ao Arzantina ny Cut.com.

03 Novambra 2016

Tantaran'ilay Zanaka Lahin'ny Mpampijaly Olona Tao Arzantina

Nijoro nanohitra ny rainy tamin'ny raharaham-pitsarana La Perla-Ribera ny zanany lahy. Mpampijaly telo amby efa-polo no voampanga tamin'ny heloka bevava tamin'ny olombelona tamin'ity raharaham-pitsarana ity, izay nifarana tamin'ny 24 Aogositra 2016.

02 Novambra 2016

Tantaran'ny Fandosiran'ny Lehilahy Iray Taorian'ny Adin'i Vietnam

Maro no mino fa ireo firenena rotiky ny fifandonana dia onenan'ny avelon'ireo namoy ny ainy tao. Anisan'ireo maty marobe ireo mpitsoaponenana izay nandositra ny firenena tamin'ny alàlan'ny sambo.