Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Desambra, 2017

31 Desambra 2017

Kambodza: Famaritana Ny Fahamaotianana

Nanambara ny Minisitry ny Kolontsaina fa tsy mahazo miakatra eo ambony sehatra ireo mpifaninanana manao fanamiana fitondra milomano.

29 Desambra 2017

Feon'ny Vehivavy Afrikana – tamin'ity herinandro ity

Satria rehefa manaja ny vehivavy ihany ny firenena ary mandray azy ireo am-pahamendrehana, dia izay vao afaka hisy ny tena fandrosoana. Voalohan-daharana amin'ny maha-olombelona ny vehivavy noho ny maha-reny sy mpikarakara voalohany azy

25 Desambra 2017

Tsy Tratran'i Rosia Ankehitriny Ny Fanantenana Mananiky Ny Avo Nofongarina Avy Ao Amin'ny Tahirin'ny Fotoana Nalevina Tamin'ny 1967

Akon'ny RuNet

Tahirin'ny Fotoana tamin'ny taona 1967 -- Ho Fankalazàna ny faha 50 taonan'ny Revolisiona Goavan'ny Oktobra -- Manomboka sokafàna manerana an'i Rosia dimampolo taona aty aoriana. Somary nandiso fanantenana ihany ny rakitra tao anatiny.

17 Desambra 2017

Mezcal : Fahaterahana Vaovao Indray Ho an'ilay Zava-Pisotro Nentim-paharazana Meksikàna

Hatrizay, noraisina ho zava-pisotro tsy be mpisafidy, efa lasa hita eny amin'ireo trano fisotroana raitra indrindra eto ambonin'ny tany ny mezcal ankehitriny, miaraka amin'ny fanatsarana mendrika azy.

11 Desambra 2017

Sewell: Tanàndehibe Vakoka Manerantany Ao Shily

Any amin'ny haabontany mirefy 2 000 metatra mahery any amin'ny tendrombohitr'i Andes no misy an'i Sewell . Tanàndehibe fitrandrahana varahina, nanambara izany ho Vakoka Manerantany ny UNESCO tamin'ity taona ity.  Nanazava tantara fohifohy sy ny zava-misy ara-tsosialy ihany koa ny La Libélula

10 Desambra 2017

Tsy Araka Izay Lazain'ny Haino Aman-Jery Sosialy, Tsy Napetraky ny Filohan'i Serbia Ho Anaran-dàlana Ny Anaran'Ilay Mpanao Heloka Bevava, Ratko Mladić

Notsinian'ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy tsy ara-drariny, tamin'ny fampiasàna ny saripikany tamin'ny hetsi-panoheran'ny antoko radikaly 2007, ny Filoha Serba Vučić fa hoe nanavao anaran-dàlana iray ho amin'ny anaran'ilay Bosniaka mpanao heloka bevava an'ady .

Taorian'ny Nilazany Ilay Mahery Fo Armeniana Ho “Mpiara-Miasa Amin'ny Fasista”, Nihemotra Ilay Fahitalavitra Rosiana

"Iray amin'ireo maherifo ngezalahin'ny firenena Armeniana i Garegin Nzhdeh ary tsy any Yerevan ihany no tokony hananganana ny sarivongany fa manerana ireo faritra maro any Armenia ihany koa."