Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jona, 2017

30 Jona 2017

Thailandy: Voararan'ny Youtube ny Horonantsary ‘Ilay Mpanao Didy Jadona Lehibe’ an'i Charlie Chaplin

GV Mpisolovava

Adala & tsy refesi-mandidy mampihomehy be ilay mpanao didy jadona ao Juntaland (enti-milaza an'i Thailandy) izay manakana ilay sarimihetsik'i Charlie Chaplin manesoeso ny mpanao didy jadona.

Ejipta: Mbola Mametram-panontaniana Ny Amin'ny Tena Ilàna Ilay Rivopanovàna Tamin'ny 1952 Ireo Ejipsiana

Amin'ny fotoana ankalazàna ny fahafito amby dimapolo taonan’ny rivopanovan'izy ireo (57 taona tamin'ny 2009) dia mbola mandinika hatrany sy miresaka ny nahatonga io tranga manan-tantara io ny Ejipsiana.

Palestiina : Fahatsiarovana ny يوم الأرض , Andron'ny Tany

[...] Mbola toa rindrina miankina amin'ny tratranareo izahay Ary ao an-tendanareo, toa vakivakim-bera, tsilona raketa [...]

Olo-malazan'ny Tantara Afrikanina Tsara ho Fantatr'izao Tontolo Izao: Richard Ratsimandrava

Filoham-pirenena faharoa nanana fe-potoam-piasana fohy indrindra teo amin'ny tantara i Richard Ratsimandrava hatramin'izao : herinandro nanomboka ny 5 hatramin'ny 11 Febroary 1975.

29 Jona 2017

11-11-11: Raiso Ny Fakantsarinao Ary Alaivo Sary Ny Fiainana

Andro vitsivitsy sisa dia tonga ny 11/11/11, andro iray hiraketan'ny olona maneran-tany ny fiainany anaty horonantsary sy hira. Mandraisa anjara amin’ny tetikasa 11Eleven sy ny Andro Iray Eto An-tany mba hamelana ny marikao eto an-tany.

Ny Famonoana Faobe tao Thiaroye ny Taona 1944, Tranga Nahamenatra Tamin'ny Vanim-potoana Fanjanahantany Frantsay Tany Afrika

Miaramila afrikana maro, mpanafaka an'i Frantsa, novonoin'i Frantsa. Heloka tokana monja no vitan'ireo miaramila ireo antsoina hoe ' 'Miaramila Senegaly Mpitifitra', dia : ny naha-Afrikana azy ireo.

28 Jona 2017

Etazonia: Herinandro Ho An'ny Tantaran'ny Hazondrongony, Mamonjy Zanakazo Sy Planeta

Anatinà vanim-potoana sarotra ara-toekarena, inona no antony mety handraràna ny fambolena mitodika amin'ny indostria ny zanakazo iray tena ilaina sy ahazoana tombontsoa, izay saika tsy mila fanafody famonoana bibikely?

26 Jona 2017

Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”

Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."

24 Jona 2017

Jona sy Jolay, Manamarika ny Tsingerintaonan'ny Fandrotehan'ny Ady Ireo Tanàna tao Japàna

Daroka baomba tsy niato hikendrena an'ireo tanàna ao Japàna ho fandravàna tanteraka sy manontolo tamin'ny Jona sy Jolay 1945

23 Jona 2017

Sary Fitaka Anamarinana Ny Fiverenan'ny Lalàna Miaramila ao Filipina

Angamba mba hanangonana ny fanohanan'ny vahoaka ho an'ny lalàna miaramila, nanomboka nizara sary avy any amin'ny firenen-kafa ny manampahefana sasany sy ny mpanohana ny governemanta, miezaka mampita azy ireny toy ny fanehoana ny zava-misy ao Mindanao. Sahirana namantatra ny sary ireo mpampiasa aterineto.