Nahoana isika no mbola manafina ny tantaran'ny teknôlôjia?

Fandravahan'ny Global Voices

Nandritra ny fahazazako sy ny fahatanorako aho nandia ny fampitam-peo radio sy telefônina lalandavitra ka hatramin'ny nampalaza ny wifi, nanatri-maso ny fomba nanjavonan'ny sehatry ny fifandraisana elektronika tsikelikely ho lasa teknolojian'ny fampahalalam-baovao (torohay). Ankehitriny, manontany tena aho hoe ahoana no hanaovana arkeolojia teknolojika.

Misy fomba handavahana mankany amin'ny fitadidian'ny teknolojia izay isahanan'ny fahatakarantsika ny fifandraisandavitra sy ny aterineto amin'ny raharaha jeopolitika, sosialy sy tontolo iainana ary ny fifandraisandavitra sy ny fitantanam-panjakana.

Tamin'ny taona 1982, nanome fitaovana ara-teknolojia malaza ho an'i Meksika i Japana. Ny iray tamin'izy ireny ny fanova zotran-telefônina nomerika (commutateur). Ity fitaovana mitovy habe amin'ny efi-trano ity no nahafahana mampifandray zotran-telefônina sy nahitana voalohany ny fambara ankihin'ny processeur tamin'ny fifandraisandavitra. Tsanganana iray nahazo fitaovana toy izany ny Centro de Estudios Tecnológico Mexicano-Japonés, sekoly teknolojika miorina ao amin'ny faritra indostrialy ao amin'ny kaominina Celaya ao amin'ny Fanjakan'i Guanajuato, ao afovoan'i Meksika.

Ireo solaitra fanova zotra ireo no nampiditra ny informatika ho ao amin'ny tontolon'ny fifandraisandavitra, hoy ny Profesora Fermín, iray amin'ireo tompon'andraikitra amin'ny laboratoaran'ny sekoly, rehefa mpianatra tao aho tamin'ny faha-15 taonako. Iray amin'ireo andiana injenieran'ny fifandraisana voalohany any Meksika i Fermín. Tsy fantatro mihitsy ny anarany; Nantsoin'ny rehetra hoe Profesora Fermín izy.

Tamin'izany fotoana izany dia efa noheverina ho lany andro io fitaovana io ary anisan'ny tao an-trano fanatobian'entan'ny laboratoara. Tsy fantatro ny hasarobidin'ity fitaovana ity tamin'ny fanorenana ny teknolojia maoderina ary te-hahazo ny dikan'ny tenin'ny Profesora Fermín aho. Toa tsy mendrika ny toerana nomena azy ireo ao amin'ny laboratoara ny lanjan'ity fitaovana ity. Nanontany tena aho hoe, ahoana no nahatonga ny fitaovana nanova ny endriky ny fifandraisandavitra ankehitriny ho afenina sy tahirizina, feno vovoka ary tsy noraharahaina?

Nanomboka nianatra tamim-pahalianana ilay milina aho, notohanan’i Fermín ary, tatỳ aoriana, notohanan'ny mpiara-mianatra hafa. Tamin'ny taona 2005, afaka nampandeha azy ireo izahay ary izany no nanombohanay ho lasa mpikaroka arkeôlôjia tamin'ireo fitaovana nomena antsika avy any Japana tamin'ny taona 1982.

Ny fanova zotran-telefônina (switch) nomerika no mpialoha lalana akaiky indrindra amin'ny fanova zotran-tambajotran-tsolosaina fantatsika ankehitriny. Kinendriny ny hampiaraka ny tavam-pifandraisan'ny vainga sy ny lojika amin'ny fanazavana ny fanovan-jotra ankihy, hanoloana ny mekanika elektromekanika nampiasaina taloha. Io fampifangaroana eo amin'ny fitaterana angon-drakitra sy votoaty io no nampiditra ny kajimirindra ho amin'ny fifandraisana elektronika.

Ny arkeolojia teknolojika ho ahafahantsika handinika, tamin'ny alàlan'ity vaingam-pitaovana fanovan-jotran-telefônina ity, fa ampahany lehibe amin'ny nahafahana nanomboka fifandraisandavitra maoderina ny famolavolana fitaterana sy votoaty, noho ny informatika.

Mbola manontany tena ihany aho indraindray raha tonga tamin'ny namakivakiana ny Pasifika na ny Hoala Meksikana ireo milina ireo, na angamba tamin'ny fiaramanidina. Ny zavatra iray mbola tsy haika valiana dia ny antony hanafenana ny tantaran'ny fotodrafitrasa teknolojika. Na izany aza, afaka milaza aho fa tsangambaton'ny fitiavako ny tantaran'ny fifandraisandavitra, ny informatika ary ny teknolojian'ny feo-sy-sary ity fikarohana ity.

Nitombo ny asan-jiolahy nanodidina ny foibem-panabeazana satria nanjary fahita tao Guanajuato ny tsy fandriampahalemana, toe-javatra tsy niova hatramin'izao. Izany dia nitarika ho amin'ny fampiatoana tampoka ny fianarako tamin'ny taona 2006 sy ny fotoana nihaonako tamin'i Japana.

Avy amin'ny mpanoratra: The forgotten story of the women who changed the history of computing in Latin America (ny tantara adinon'ireo vehivavy nanova ny tantaran'ny infôrmatika ao Amerika Latina)

Amin'ny odidin'i Amerika Latina, hitako toa zava-dehibe kokoa amiko ny manao arkeolojia teknolojika, satria mirakitra habe ara-politika ihany koa. Ny antsoina hoe “fahalanianandro teknolojika”, amin'ny toe-javatra maro, dia efa voapetraka mialoha sy hita fa efa lany andro noho ny tena izy. Manan-danja amin'ny faritra misy anay ny teknolojia heverina ho lany andro.

Misy ireo teknolojia izay hita ho haolo, nefa amin'io fotoana io ihany, maneho hirika hahazoana fizakan-tena ho an'ny faritra misy anay. Ohatra amin'izany ny radio [mg]. Androany dia fantatray noho ny Sarintanin'ny radio Amerika Latina sy Karaiba fa tamin'ny taona 2020 dia nisy onjam-peom-piarahamonina 6667 farafahakeliny tao amin'ny faritra.

Izany no nitranga tamin'ireo teratany Masewal any Meksika, izay mitazona ny radiony araka ny fenitra ara-toekarena sy ara-tsosialy eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina. Nilaza tamiko ireo zandriny indrindra ao amin’ny toby fampielezam-peo iray ao amin’ny Masewal fa “teraka mahaleotena” ny onjam-peon-dry zareo satria efa nisy hatrany nihoatra ny fahazoan-dalana sy ny faneken’ny Fanjakana ny onjam-peon-dry zareo.

Iray amin'ny nofinofin'i Fermín ny hamelona indray ny klioba radio hananganana tendrom-pifandraisana sy hianatra momba ny fampitana sy fampielezana onjampeo anelanelan'ny halavany sy ny halavirana. Narovany ihany koa ny fahazoan'ny besinimaro miditra amin'ny laboratoara manoloana ireo herin-tsanganana izay mitazona azy ireo ho tranombakoka mihasimba sy mirodana.

Mbola manontany tena aho hoe nanao ahoana ireo mpiara-miasa tamiko, nanao ahoana i Fermín. Manontany tena aho hoe nanao ahoana ireo olona rehetra nandray anjara sy mandray anjara amin'ny fananganana ireo teknolojia maro ampiasaintsika ankehitriny.

Angamba aloha loatra ny hanaovana arkeolojia amin'ny teknolojia ankehitriny, izay ijerena ny endrik'ireo fitaovana taloha amin'ny milina ankehitriny. Na izany aza, ho anay avy amin'ny siansa informatika, asa tanana ary programmation, toa ilaina ny mahafantatra ny fetran'ny teknolojia namboarintsika sy ny zotram-pahanterany. Manan-danja ny fifandraisana natsangatsika tamin'ny teknolojia sy ireo tantarantsika; ny resaka naparitany ho antsika, ny hafaliana sy ny fifanoherana izay lasa anisan’ny fiainantsika andavanandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.