Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2019

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Septambra, 2019

21 Septambra 2019

Ejipta: Bilaogera misalasala (2009)

Mitaky fahaizana mandanjalanja, fandeferana, ary fahamarinana ny fisalasalana. Nisafidy ny hisalasala i Mona Eltahawyary ary mangataka amin'ny olona mba hisafidy vahaolana i Amr Gharbeia.

19 Septambra 2019

Mpivarotra lamba ‘kanga’ mampiavaka an'i Zanzibar nandritra ny 30 taona nasaina niala eny amoron'ny arabe

Nolazaina ireo mpivarotra Kanga ao Stone Town, Zanzibar, fa "fandraharahana tsy nahazo alalana, tsy ara-dalàna" ny toeram-pivarotan'izy ireo eny amoron-dalana satria manelingelina ny fidirana sy ny hankaton'i Stone Town ary mampihena ny lanjany ihany koa, ka nasaina niala tao izy ireo.

16 Septambra 2019

Izay lazain'ireo Salvadoriana blaogera — ireo akon'ny lasa

Tao amin'ny tontolon'ny blaogy Salvadoriana nandritra izay roa herinandro farany izay, nahitàna resaka maro mikasika ireo heloka bevava natao nandritry ny ady an-trano tany El Salvador izay mbola misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fiarahamonina foana hatramin'izao.

Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio

Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.

15 Septambra 2019

Mandranitra Fifanenjanana ara-poko sy fivavahana ny volavolam-pisarahana ao amin'ny Fiangonana Ethiopiana Orthodoksa

Milaza ny Oromo mpitondra fivavahana fa antenain'ny EOTC ny Oromo mpandeha any am-piangonana hivavaka amin'ny fiteny Ge’ez, fiteny litorjikan'ny fiangonana, na Amharika, fitenim-piasana ao amin'ny governemanta federalin'i Ethiopia.

14 Septambra 2019

Mahatsiaro ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia tamin'ny taona 1968

Tanora Tseky am-pahatelony mahery no tsy mahay mampifandray ny datin'ny 21 aogositra 1968 sy ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia.

11 Septambra 2019

Mpahay tantara ambava sy arsivista mameno ny fandraketana ny fivakisan'i India tamin'ny taona 1947

Miasa miaraka amin'ireo sisa velona tamin'ny fivakisana taona 1947 ny mpahay tantara mba hahatsiahivan-dry zareo izao nitranga ary mba ho voatandro ny tantaran-dry zareo.

09 Septambra 2019

Manome voninahitra an'i Remmy Ongala, mariky ny sekoly mozika fahiny ny klioban'ny fiara tranainy voalohany sy tokana ao Tanzania

Nikarakara fampisehoana fiara mba hanomezam-boninahitra ilay kalazan'ny mozika Tanzaniana Remy Ongala ny Oldschool Rides Tanzania, fikambanana natokana ho an'ny fanavaozana sy fankalazana ireo fiara taloha ao Tanzania sy ao amn'ny faritra,

02 Septambra 2019

Tantara fohy momba ny foko indizeny Seediq any Taiwan

Rising Voices

Manana tantaran'ny tolona nataon'izy ireo momba ny zony manoloana ny mpanjanaka Japoney ny foko Seediq , iray amin'ireo foko indizeny any Taiwan.