Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jona, 2014
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
Akanjo Ambony Poutine, Tsy Hay Tohaina Any Rosia
Tamin'ny herinandro lasa teo, mpamokatra lamaody roa, nanokatra toerana kely ao amin'ny toeram-pivarotana iray eo ivelan'ny Toerana Mena, mivarotra akanjo ambony midera an'i Vladimir Poutine. Tao anatin'ny iray andro, nahalafo 5 arivo isa izy ireo.
Didim-pitsarana Manatantara Mampanatrika An'i Brezila Ny Laza Ratsiny Fahiny
Telo amby efa-polo taona taty aoriana, manamboninahitra dimy misotro ronono no tsy maintsy nanazava tao amin'ny fitsarana ny fampijaliana, fanjavonana ary fahafatesan'ny solombavambahoaka Rubens Paiva.
Espaniola an'Arivony No Mitaky Repoblika Taorian'ny Fametraham-Pialàn'ny Mpanjaka
Mpandinika maro no mahita fa andrana hitazonana ny rafitry ny fanjakana misy mpanjaka io fametraham-pialàn'ny mpanjaka io.
Nahita Ampahan-dalana Inca Vaovao Akaikin'i Machu Picchu Ny Mpikaroka Ao Però
Tsy nisy nahamarika ilay lalana Inca nandritra ny 500 taona mahery, izay eo amin'ny iray kilaometatra sy sasany eo ny halavany.
Chungui: Famongarana Ny Zava-dozan'ny Fampihorohoroana Tany Però
30 taona lasa, olona an-jatony no niharan'ny fampihorohoroana tany amin'ny ireo vondrom-piarahamonina lavitra tany Chungui sy Oreja de Perro.
Mampiasa Twitter ito Breziliana ito Mba Hanehoana Ny Fahasiahana Sy Ny Fanavakavahana Ataon'ny Mpampiasa An'ireo Mpiasa An-Tranony
Asehon'ny kaonty A Minha Empregada (Ny mpiasa an-tranoko), amin'ny alalan'ny hafatra fohy miisa 111 ny zavatra ratsy amin'ny lafiny ara-tsosialy atao amin'ny hafa, ny fanavakavahana ary ny tsy fahaizana manakatra ny fihetseham-pon'ny hafa miseho eo amin'ny fiarahamonina Breziliana, indrindra ny toetra manoloana ireo mpiasa an-trano izany.