Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Novambra, 2018

24 Novambra 2018

Singapaoro, Malezia: Mahathir Mohamad sa i Lee Kuan Yew

Tamin'ny alàlan'ny bilaoginy, dia namaly ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Singapaoreana teo aloha Lee Kuan Yew ny Praiminisitra Maleziana teo aloha Dr. Mahathir Mohamad mikasika ny fifandraisana ara-poko sy ny 'fanavakavahana ara-politika' any Malezia.

23 Novambra 2018

Eritreritra tsy tanan'ny mpiserasera amin'ny fahazato taona an'i Czechoslovakia

Manamarika ny fahazato taona nananganana an'i Czechoslovakia ny repoblikan'i Slovakia sy ny repoblika Tseky.

12 Novambra 2018

Takian'i Jordania ny tany ‘nampanofaina an'Israely’ araka ny fifanarahana fandriampahalemana 1994

Nankasitrahan'ny Jordaniana, izay niantso izany ho "fandresena ara-tantara" ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka Jordaniana Abdullah II hanafoana ny ampahany amin'ny Fifanarahana Fandriampahalemana Wadi Araba, mba hamerenana amin'i Jordania ireo faritra maromaro misy ny tany nampanofaina an'i Israely .

Azia Atsimo: Vahoaka, Vavaka, Sarimihetsika ary Politika

Maro ireo lohahevitra malaza noresahina teo anivon'ny blaogy maro isan-karazany tao Azia Atsimo. Hita tao anatin'izany ny 'Vahoaka, Vavaka, Sarimihetsika ary Politika'.

10 Novambra 2018

Notoloran'i Sarajevo mariboninahitra maha-olompirenena i Bruce Dickinson

Notolorana ny mahaolom-pirenena Sarajevo amboninahitra i Bruce Dickenson avy ao amin'ny tarika Iron Maiden satria nankahery ny vahoaka tao Sarajevo izy nandritra ny fitsidihany tao amin'ity tanandehibe natao fahirano ity.

06 Novambra 2018

Zeorzia-Rosia : Ady anaty Aterineto

Ankehitriny, ady no eto amin'ity fanaovana karajia ity, Rindrin'ny tsy fahaizana mifankahazo, fifanomezana tsiny, fiampiangàna, fifanompàna ary ilaozan'ny olona izy, toy ny mpitsoaponenana. Androany, iray tamin'ireo olona fantatro no nanoratra tamiko hoe nialàny ilay vondrona. Toy ny hoe tsy misy intsony ny fitiavana sy ny fanembonana ny omaly. Androany, lasa...

05 Novambra 2018

Kambodza-Thailandy : Mitohy ny fifandirana manodidina ny fiangonana Preah Vihear

Ny fiangonana tranainy Preah Vihear, izay, araka ny voalazan'ny UNESCO, niorina tamin'ny taonjato faha-XIe ary natokana ho an'ny Shiva, dia hita ao amin'ny sisintany manelanelana an'i Kambodza sy Thailandy. Loharano nipoiran'ny fifandirana teo amin'ireo firenena roa mpifanolo-bodirindrina ireo ny fananana tanteraka an'i Preah Vihear.

Kambodza-Thailandy: Adihevitra manodidina ny vohikala ilovethailand.org

Vao haingana no niteraka resabe tamin'ny tambajotra ny fandefasana ny vohikala ilovethailand.org. (tsy mandeha intsony ny rohy). Nanambara ny Praiminisitra thailandey Abhisit Vejjajiva fa io vohikala io dia mikendry ny hamerina indray ny endriky ny firenena ary hampitambatra ny firenena ao anatin'ireo fikorontanana tato ho ato. Teraka avy amin'ireo fitakiana...