· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Aogositra, 2012

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Fanonganam-panjakana Voalohany Nataon'ny Miaramila Teo Amin'ny Firenena

Manamarika ny faha34 taonan'ny fanonganam-panjakana voalohany nataon'ny miaramila tany Maoritania ny 10 Jolay 2012, raha nanongana ny Filoha Moktar Ould Daddah ny miaramila. Mahatsiaro ny tsingerintaonan'ny fanonganana tamin'ny 1978 ireo mafana fo Maoritaniana, amin'ny alalan'ny fitorahana bilaogy sy bitsika mikasika izany, ary ny fanakianana ny lalàna miaramila any Maoritania.

Arzantina : Ny Kitra, Ny Amboara “Evita” Sy Ireo Fepetra Vaovao Hisorohana Herisetra

  09 Aogositra 2012

Mba hisorohana ny herisetra mandritra ny lalao baolina kitra dia nifanao sonia tamin'ny Fikambanana Baolina Kitra Arzantina ny filohan'i Arzantina Cristina Fernández de Kirchner mba hanaovana fanaraha-maso "biométrique" ireo mpijery eo am-pidirana ny faritry ny kianja. MAnolotra anarana vaovao koa izy hiantsoana ny faidiana izay ho Tompondaka Arzantina, ny Amboara Evita Capitana.

Sary Manan-tantara Ho Fankalazana Ny Fikomiana Tao Myanmar 1988

  09 Aogositra 2012

Manamarika ny faha 24 taona nitsingerenan'ny fikomiana goavana teo amin'ny tantara politikan'i Myanmar ny datin'ny 8 Aogositra 2012,  – ny Fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demokrasia 1988. Na dia nankalaza izany tao anatin'ny fahanginana aza ny vahoaka tamin'ny taon-dasa ka tsy nahitana mpitarika avy amin'ny mpikatroka mpanohitra ny governemanta 88 generation (taranaka 88) izany fankalazana...

Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas

  08 Aogositra 2012

Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo  ilay  mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena  Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny faha- 93 taonany. Fantatra amin’ny hira toy ny hoe “La Llorona” izy, nanjary nahazo  laza i Chavela tamin’ny fihirany ilay mozika...

Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

  04 Aogositra 2012

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.