· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Avrily, 2019

Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera

  30 Avrily 2019

Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.

Rosia: Miresaka ny tsingerintaona faha-20 nirodanan'ny rindrin'i Berlin ny bilaogera

Folo taona taorian'ny nianjeran'ny Rindrin'i Berlin, tsy dia maro ireo bilaogera Rosiana mahatsiaro, mankalaza sy miresaka ity zava-nitranga ara-tantara izay antsoin'ny sasany hoe "zava-nitranga tena manan-danja indrindra tamin'ny tantaran'ny taonjato faha-20." Ho an'ny ankamaroan'ny bilaogera Rosiana 'ny firodanana' dia fahatsiarovana avy amin'ny fahazazana / fahatanorana, zavatra angano fa tsy tena marina.

Venezoela: Misalasala ny amin'ny antony nahafatesan'i Bolivar

  04 Avrily 2019

Isaky ny 17 Desambra, Mankalaza ny fitsingerenan'ny nahafatesany ny firenena rehetra izay mihevitra an'i Símon Bolívar ho toy ny maheron'ny fireneny. Saingy tamin'ny volana Desambra 2007 lasa teo, takona ny fahatsiarovana ny tsingerintaona raha nanomboka nanahy ny tamin'ny nahafatesan'i Bolívar ny filoha Hugo Chávez, izay noheveriny fa voan'ny raboka .