Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Oktobra, 2018

29 Oktobra 2018

Guinée-Conakry: Mijoro tsy milefitra manoloana filoha tia fahefana tafahoatra

Zon'olombelona an-tsary

Manomboka mahazo vahana ao Afrika Andrefana ny fivoarana teknolojika ahafahan'ny olontsotra mandrakitra lahatsary sy mametraka lahatsary ety anaty aterineto...Sarobidy ny fijoroana vavolombelona anaty lahatsary tahaka izany satria sarotra tadiavina ny feon'ireo olompirenena

Fitetezana Blaogy Libiana: 26 Oktobra- Ny Andro Mainty sy ny Filankevitry ny Filaminana

Nahoana no antsoina hoe ''Andro Fisaonana'' na ''Andro Mainty'' ny 26 Oktobra any Libia ary ahoana no hankalazana ny fahatsiarovana izany? Ao anatin'ity lahatsoratra nosoratan'i Fozia Mohamed ity no milaza amintsika bebe kokoa mikasika izany tranga izany ireo blaogera Libiana.

28 Oktobra 2018

Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?

Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra...

27 Oktobra 2018

Tsy miombon-kevitra amin'i Trump manondro ny fireneny ho fandrahonana ny fandriampahalemana i Montenegro

Nobody except Trump can imagine that Montenegro would start a war with Russia, even though there were many old Yugoslav jokes about Montenegro starting a war with China. /Tsy misy olona afa-tsy Trump no afaka manombantombana fa hanomboka ady amin'i Rosia i Montenegro na dia misy sangisangy Yugoslav tranainy maro...

26 Oktobra 2018

Taratasy misokatra fanakianana an'i Sarkozy, avy amin'ireo Afrikàna mpanoratra

Maro ireo afrikana mpanoratra sy bilaogera no niaraka nanao sonia an'ilay taratasin'i Raharimanana, ary navoaka tao amin'ny gazety «Libération ». [...] "Ny tena tiako amin'i Raharimanana, dia ny hatezerana. Misy ireo tsy voasakan'ny fieritreretana ny hoavin'i Afrika ny torimasony. Fa izy, tsapa matetika ao anatiny ny fahamangànana, ny ratram-po lalina...

23 Oktobra 2018

Ny Tontolon'ny Blaogy Siriàna Tanatin'ny Herinandro-2

(2006) Nanao dingana lehibe iray ny tontolon'ny blaogy Siriàna tamin'ity herinandro ity, tamin'ny fanolorana ny Syria Planet. Vavahady voalohany anaty aterineto natokana ho an'ireo Siriàna rehetra mpitoraka blaogy. Namporisihin'ny firoboroboan'ny bilaogy, vavolombelon'izany i Siria tamin'ny taona lasa (2005)

22 Oktobra 2018

Horonantsary Momba Ny Fikomiana, Mamelona Ny Soatoavin'ny Fanoherana Ny Fasista Tany Montenegro

Ny Tetezana - The Bridge

"Eo am-pizaràna ny tantaran'ny adin'ny olontsotra, dia tianay hampahatsiahivina ny taranaka tanora kokoa ny fomba nahazoantsika ny fisitrahana ny zontsika amin'izao fotoana izao... "

21 Oktobra 2018

Koety: Tsaroana i Shaikh Saad

Mbola mitomany ny fahafatesan' i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra azy teo aloha foana ireo Koetiana. Mitondra amintsika ny fanehoankevitr'ireo blaogera Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.

19 Oktobra 2018

Holandy: Namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 taonany i Miep Gies, Vehivavy nanampy an'i Anne Frank

Araka ny tatitry ny BBC, namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 atona i Miep Gies, ilay hany mpikambana sisa velona tao amin'ny tarika izay nanampy an'i Anne Frank sy ny fianakaviany Jiosy handositra ny fisamborana tao Holandy nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.

18 Oktobra 2018

Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka

Maneho ny horakorany manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ireo blaogera Kyrgyz. Ambany ihany koa ny môraly noho ny fihaonambe iraisampirenena, izay toa hamehy ny fivezivezena ao Bishkek renivohitra. Vaovao tsara? Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny filoha androany...