Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2020

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Janoary, 2020

Indranteny Yorùbá: Ny fomba fivoaran'ny fiteny

Ny fampiasana voambolana amin'ny endriny nahafantarana azy no miantoka fa mbola ao tsara ilay kolontsaina, velona amin'ny alalan'ny fiteny.

Naterina ho amin'ny toerana hialàny sasatra ny taolambalon'ireo Olona Voalohany tao Trinité sy Tobago

Naverina nalevina ny taolambalon'ireo razambe vazimba teratany niisa 60, ary natao araka ny tokony ho izy tamin'ny fomba feno fanomezamboninahitra ny maty sy fanekena ny lanjan'ny vondrompiarahamonin'ireo Olona Voalohany tao an-toerana.

Firenena tsy ankatoavina ve i Taiwan?

"Raha afa-po amin'ny toe-draharaha tsy mihetsika amin'izao fotoana izao ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena rehefa mifampiraharaha tsirairay avy amin'i Taiwan sy amin'i Shina, misy kosa ireo hery politika amin'ireo toerana roa ireo no manandra-teny hisian'ny fanovana." 

Taiwan: Topimaso amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2020 amin'ny alalan'ny lalao famoronana petadrindrina ao amin'ny aterineto

Amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, mamorona petadrindrina momba ny fifidianana ireo mpampiasa aterineto amin'ny alalan'ny tenifototra #GraphicDesignForDemocracy.

Taona enina taorian'ilay famoretana nahafaty olona natao an'ilay fitokonan'ny mpiasa amin) orinasa mpanao akanjo tao Kambodza, tsy antenaina intsony ny fitsaràna hoy ireo fianakaviana

" Toa tsy mbola manangasanga eny amin'ny faravodilanitra raha izay rariny izany, na toy ny mitady fanjaitra ao anaty fanambanin'ny ranomasina. Tsy mbola nahita izay mangirana momba ny rariny ho anay izahay."