Denyse Plummer, ilay mpanjakavavy tsy nampoizin'ny calypso ao Trinidad & Tobago, mamela lovam-pitiavana, fiderana ary fitiavan-tanindrazana

Pikantsary an'ilay mpanjakavavin'ny calypso lasa mpihira gospel, nalaina avy tamin'ny lahatsary YouTube “Highest Praise”.

Tokony ho tamin'ny 5 ora hariva, ny Alahady 27 aogositra, ora tao Trinité-sy-Tobago (UTC-4), maty teo amin'ny faha-69 taonany taorian'ny adiny lava tamin'ny aretina homamiadana i Denyse Plummer – mpihira iray izay nanomboka tamin'ny mozika pop, nalaza tamin'ny calypso, avy eo nitoetra tam-pitiavana tao anaty mozika gospel nandritra ireo taona faramparany niainany.

Taorian'ireo tsaho tsy marina momba ny fahafatesany iray volana talohan'izao, dia nanambaran'ny fianakaviany teo amin'ny tambajotra sosialy ny amin'izany :

Amin'ny fo feno alahelo no hanamafisanay ny fahafatesan'ny mpanjakavavy malalantsika, Denyse Plummer-Boocock. Reny mahafinaritra i Denyse, renibe, vady, namana ary ohatra iray fakan-tahaka ho an'ireo andian-taranaka tanora. Banga ho an'ireo olona maro izy, anisan'izany ny fianakaviany. Ho velona amin'ny alalan'ny mozikany, ny literatiorany sy ireo  fahatsapana tsara navelany tamin'ireo izay sendra azy izy.

Tianay ianao Denyse, misaotra noho ny fahagagana nentinao ho an'ity tontolo ity 🌷

SIP Denyse Plummer miaraka amin'ireo anjely 👼 pic.twitter.com/2aLA7qq4Zi

— SuccessQueen492* (@SQueen492) 17 Aogositra 2023

Tamin'ny 1953 no nanomboka izay fahagagana izay, rehefa niteraka azy Dudley sy Joan Plummer, mpivady iray samihafa foko (fotsy ny rainy ary mainty ny reniny). Nitendry gitara tao amin'ny tarika folk La Petite Musicale ny rainy. Tena lehibe ny fitaomany tamin'ny mozika ka tamin'ny fotoana nidiran'i Plummer tao amin'ny Lisea Holy Name Convent dia nihira tao amin'ny antoko mpihira folklorika nisy azy izy ary nandresy tamina fifaninana maro. Taorian'ny nahazoany ny diplômany dia nisahana asam-birao vitsivitsy izy, saingy niala nony farany mba hanokan-tena manontolo ho amin'ny mozika.

Lasa andry niankinan'ireo toeram-pandihizana amin'ny alina tao  TrinidadTobago i Plummer nandritra ireo andian-taona 1970s sy 1980s, namerina niantsa ireo hira nalaza no sady nandrakitra ‘singles’ vitsivitsy. Ny 1985 no nidirany tamin'ny kianjan'ny calypso, rehefa nanasa azy i Len “Boogsie” Sharpe ,ilay mpandrindra malazan'ny tarika mpively barika Phase II Pan Groove, mba hihira calypso roa. Iray tamin'ireny ny “Pan Rising,” mety ho ny Panorama tune an'ny Phase II, herintaona taorian'izay. Satria tsy mbola nihira velively io karazan-kira io, izy tany aloha, nisalasala izy saingy nanapaka hevitra hanao ilay dingana. Nisy vokany malaky be tamin'ny fisarihana izay hetsika izay: rehefa nandre ilay fandraisampeo i Superblue, ilay mpiangaly calypso tsara toerana, dia nanasa azy hivahiny tao amin'ny tranolain'ny calypso-ny, izay nahafahan'i Plummer ho afaka nilahatra hofidiana handray anjara tamin'ny fifaninanana Calypso Monarch 1986.

Araka ny mahazatra, ny lalao manasa-dalana nasionaly amin'ny fifaninanana calipso dia natao tany Atsimon'i Trinidad, ao amin'ny Skinner Park, San Fernando. Tsy natao ho an'ny olona mora tohina ny fampisehoana, tsy noho ny habetsahan'ny olona fotsiny, fa noho ireo mpitabataba manaraby ihany koa. Niakatra an-tsehatra tamim-panantenana i Plummer hoe hotsaraina amin'ny herin'ny hirany sy ny fahaizany mampita azy ireny; saingy tsy izany fa voatoraka taratasy fifirana izy ary notsenain'ny sora-baventy mivaky hoe : “Tsy mihira calipso ny Fotsy hoditra”.

Raha  tokony hihemotra anefa i Plummer, dia nijoro ary nandray izany ho toy ny fombafomba fandraisana  : noraofiny ireo taratasy fifirana dia nahofahofany, nampidiriny izany ho ao anatin'ny fiakarany an-tsehatra, araka izany dia resiny ireo mpanohitra maro. Araka ny voalazan'ilay Injenieran'ny feo, Robin Foster, izay niresaka an-telefôna tamin'ny Global Voices, hoe “Nasehony azy ireo fa ananany ny kibo”.

Mandria am-piadanana Denyse Plummer. Tia tanindrazana marina. Tsy nilavo lefona mihitsy izy, na dia nolazaina taminy aza fa tsy nanana toerana teo amin'ny sehatra nosafidiany izy. Saingy tamin'ny farany dia azony ny fanajan'ny rehetra.🇹🇹🙌🏾

 Isan-taona, samy tsy andrin'ireo mpanatrika ny handre ny hiran'i Plummer sy hahita ny fianjaikany amin'io vanim-potoana io. Mitodika foana amin'ny fisehosehoana sy ny zavabitan'ny Karnavaly izy, mampiditra ny  fisehoany marevaka ho ao anatin'ilay izy entiny miseho sehatra amin'ny alàlan'ireo taovolony sahisahy sy ireo fitafy mivelabelatra.

Nitombo hatrany ny lazan'i Plummer. Tamin'ny 1988, tafakatra tamin'ny lalao famaranana nasionaly tamin'ny Kalipso Monarch izy ary nahazo ny mariboninahitra Mpanjakavavin'ny Calypso avy amin'ny National Women's Action Committee (NWAC) tamin'ilay hira “Woman Is Boss,” fiarahamiasa iray tamin'ny “Boogsie” miresaka ny tsy fitoviana misy eo amin'ny lahy sy vavy izay nanakoako tamin'ireo vehivavy tao an-tanindrazany sy ny tany ampielezana. Anaram-boninahitra im-balo azony izany nandritra ny fotoana niasàny ary, tamin'ny 1990, toy ny hoe hanasongadinana fa ny vehivavy tokoa tokoa no tena “deba (lehibe)”, izy no vehivavy voalohany nandresy tamin'ny fifaninanana Young Kings Calypso Competition.

Nanjary fahombiazana tsy miova ho an'ny besinimaro ny hirany, ka ny sasany tamin'ireny — ny “This Feelin’ Nice” sy ny “Woman is Boss” — nandresy tamin'ny fifaninanana isan-taona Panorama steelband, nifanesy tamin'ny taona 1987 sy 1988. Vonona hatrany ny haninjitra ireo hozatry ny famoronana ananany, tamin'ny 1988 dia niditra tamin'ny fifaninanana Chutney Soca Monarch mihitsy aza izy — fifaninanana iray manome voninahitra ilay mozika, izay fitambarana folk Indiana amin'ny calypso sy ny soca — miaraka amin'ny hira “Carnival Queen,” izay niarahany nanoratra tamin'i Calypso Rose.

Her crowning glory in the calypso world eventually came in 2001, when Plummer won the coveted Calypso Monarch title with the songs “Heroes” and “Nah Leaving.” The former lamented the nation's tendency to only honour its heroes after they're “dead and gone”; the latter was a homage to Trinidad and Tobago in that, despite its many challenges, nothing would make her migrate as so many others had done: “Is here whey conceive me, is here ah go dead.” She was only the third woman in history to win the crown.  Ela ny ela ka tamin'ny 2001 dia tonga tamin'ny fanosorana azy teo anivon'ny tontolon'ny calypso, rehefa azon'i Plummer ilay anaram-boninahitra be mpitsiriritra amin'ny Calypso Monarch, tamin'ny alàlan'ireo hira “Heroes” sy “Nah Leaving

“Teto aho no namboarin-dry zareo, eto aho no ho faty” – Denyse Plummer

Mitsahara any amin'ny mandrakizay ianao. Misaotra amin'ny maha-olombelona mahagaga sy hery matanjaky ny kalipsôniana anao.

— Rawkus (@MrRawkus) 27 Aogositra 2023

Fotoana elaela taty aoriana, nitodika nankany amin'ny mozika Gospel i Plummer. Tao anatin'ity karazany ity, tao anaty tarika iray nahitana, raha kely indrindra, olona telo hafa efa mpiangaly calypso fahiny no nisy azy — Michelle Sylvester, Morel “King Luta” Peters, ary Chris “Tambu” Herbert — izay samy nijoro vavolombelona fa nahazo antsom-pinoana hampiasa ny talentan-dry zareo ho amin-“javatra” goavana kokoa. Tamin'ny fanjohiana io zotra vaovao io, nafangaron'i Plummer ny endrika mampandihy  ireo gadona soca ampiarahana amin'ny hafatra fiderana. Vonona hatrany hampihatra izay hafatra toriany, noararaotin'i Plummer ny lazany  tamin'ny famoronana ny Orina Denyse Plummer, nentiny nanampiana ireo niangaran'ny vintana.

Tamin'ny fahafatesany dia nanome voninahitra azy tety amin'ny tambajotra sosialy ireo mpikambana avy ao amin'ny firahalahian'ny mpiangaly mizika ao an-toerana. Teo amin'ny Facebook, ilay mpanakanto ara-mozika rapso, Wendell Manwarren namoaka  hoe:

Tena Boss (deba) i Denyse Plummer, tena mpanjakavavy, tena tia tanindrazana, tena mpanakanto, tena matihanina ary indrindra indrindra tena olombelona mahafinaritra marina tokoa. Misaotra noho ny fandraisanao anjara tamin'ny lova aza-javakanton'ny tanindrazantsika. Manidìna avo ary makà aina tsara, ny asanao no tapitra fa ny mozikanao ho velona. Mandria am-piadanana 🕊️🕊️🕊️.

Niteny ny Fikambanan'ireo Kalipsôniana Miray ao Trinbago (TUCO) hoe :

Voarakitra ao amin'ny firaketan'ny mozika ao Trinité-sy-Tobago ny lova navelan'i Denyse Plummer. Namaky ny sakana izy ary nanokatra làlana ho an'ireo vehivavy kalipsôniana, mampiseho fa mihoatra noho ny mahalahy sy ny vavy ary ny fiaviana ny herin'ny feon'ny olona iray.

Ny fahaizamanao tsy manam-paharoan'i Denyse Plummer amin'ny fampidirana karazana mozika ho ao anatin'ny sehony, manomboka hatramin'ny calypso sy ny soca, ka hatramin'ny gospel sy ny chutney, dia nampisy lanjany ny fahaizany manavia manavanana ara-javakanto. Tsy hoe teo amin'ny firenenay nosy kambana fotsiny no nanakoako ny mozikany fa ihany koa eran'izao tontolo izao, nandravaka ireo sehatra manerana an'i Karaiba, Amerika Avaratra, Eorôpa sy ny sisa.

Mpankafy vely barika no sady filohan'ny National Gas Company ao Trinité&Tobago, tsaroan'i Mark Loquan ny fikirizan'i Plummer, tamin'ny filazàna fa izy “mahafinaritra ny miaraka miasa aminy” ary “faran'izay tena matihanina”. Tsapan‘i Chris Arshad Hosein ny hoe i Plummer “no nahatonga anay rehetra hirehareha amin'ny maha-Trinbagoniana”, raha toa nisaotra azy kosa ilay mpihira Vaughnette Bigford noho ny “nanehoany ny hatsaram-panahy, tsy fiovaovàna ary faharetana.”

Notsarovana ihany koa i Plummer ho toy ny  modely sy mpanoro hevitra ho an'ireo vehivavy tanora. Ny pejy Facebook-n'ny  Mozea Virtoaly ao Trinida&Tobago, an'i Angelo Bissessarsingh, dia nihoby azy ho olo-malaza nasiônaly izay voaporofo, “tamin'ny alàlan'ny mozikany, fa tena tia tanindrazana marina ao T&T”.

Mazava ho azy fa neken'ny Fanjakana ; tamin'ny 2011 dia nomem-boninahitra notolorana ny Hummingbird Medal (Volamena) i Plummer, loka nasiônaly, noho ny fandraisany anjara tamin'ny kolontsaina. Navoaka tamin'ny 2015 ny The Crossover“, milaza ny mombamomba azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.