Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jona, 2023
Nisy fivoarana ihany ve nony farany? Armenia sy Azerbaijan manome vintana hafa indray hisian'ny fandriampahalemana
Nifanaiky hiverina hifampiresaka ny mpitarika roa tonta ary hijery ny famaritana sisintany, ny fanokafana indray ny fitaterana sy ny fifandraisana ara-toekarena ary ny famotsorana gadra
Ny dian'ny mozika parang ao Trinidad, anatina podcast fampahafantarana iray
"Tsy mozikam-pifaliana noho ny nahaterahan'i Kristy fotsiny ny Parang, fa ihany koa mitantara ampahan amin'ny tantaran'ny fandresena sy ny fiovàm-po."
Fahatsiarovana ny seranampiaramanidina iraisampirenena rava ao Donetsk, Okraine
Tamin'ny 2014, nanjary lasa toe-draharaha mafana ilay seranam-piaramanidina namboarina ho an'ny lalao Euro-2012, ao anatin'ny adin'i Okraina manohitra ny fananiham-bohitra antsokosoko nataon'i Rosia ny faritra Donetsk. Korotam-bato ankehitriny.
Mahakasika ny amin'ny fiteny indizeny ihany koa ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety: momba ny “occitan” ao Frantsa
Tena zavadehibe ilain'ny fanomezana aina ireo fiteny indizeny ny famokarana sy ny fahafahana miditra amin'ny media, araka izay hita amin'ny tranga manjo ny "occitan", izay efa tsy dia ifampiresahana firy intsony ao atsimon'i Frantsa.
Nahita paradisan'ny tantely tao Kyrgyzstan ny hongroà mpiompy tantely
Raha nanoritsoritra ny faritra Toktogul, nilaza i Ferenc Takács avy amin'ny Fulmer hoes: “Paradisan'ny tantely ity satria paradisan’ny voninkazo.”
Ny herin'ny vary sy ny tsiasisa ao Nepal
Hanina indroa isan'andro farafahakeliny, tsy hoe foto-tsakafo Nepali fotsiny ny vary ampangoro sy lasopin-tsiasisa na legioman'ny vanim-potoana masaka, fa zavatra lalina kokoa sy tena ilaina ao amin'ny faritra.
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.