Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Mey, 2013

19 Mey 2013

Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..

Nihodinan'ny Vohikala Sosialy Shinoa Ny Sivana Mba Hanomezam-boninahitra Ilay Mpitondra Fiovàna Hu Yaobang

Nihodinan'ireo Shinoa mpampiasa aterineto ny sivana aterineto hentitra any amin'ny fireneny mba hanomezam-boninahitra an'ilay mpitarika antoko kaominista taloha sady mpitondra fiovàna fanta-daza, Hu Yaobang, izay nitarika ireo fihetsiketshehana tany amin'ny Kianjan'i Tiananmen ny fahafahatesany 24 taona lasa izay.

16 Mey 2013

Fitantarana an-tSary Navoakan'ny Manomba-Maso An'i Palestina Farany Indrindra Ho Fahatsiarovana ny Nakba

Ho fahatsiarovana ny Andron'ny Nakba, namoaka ny fitantarana an-tsary nohavaoziny farany indrindra ny ekipan'ny 'Visualizing Palestine' (manomba-maso an'i Palestina) mitondra ny lohateny hoe "Famindra-monina mbola mitohy" izay "mametraka an'isa ny habe sy velaran'ny famindra-monina sy fahaverezan'ny tany Palestiniana."

12 Mey 2013

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra...

02 Mey 2013

Fihetsiketsehana Nandritra ny Fetin'ny Asa Tao Azia Atsimo-Atsinanana [An-Tsary]

Manao jery tamberina ny fihetsiketsehana nandritra ny andron'ny voalohany volana mey notontosaina tany Kambodza, Filipina, Indonezia ary Singapore ny Global Voice. Ny fivoriana izay nokarakaraina hampiako ny fitakiana isan-karazan'ny mpiasa sy ireo vondrona mpiaro (misolo vava ny mpiasa) dia nilamina ihany amin'ny ankapobeny nanerana ny renim-paritra.