Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Mey, 2011
Zimbaboe: Miady hevitra momba ny lova navelan'i Mugabe ireo mpitoraka bilaogy
Zimbaboe dia firenena iray, izay ny firesahana mikasika ny fahasalaman'ny filoha na ny ho avy tsy misy azy dia mety hitondra ny olona iray ho any am-ponjan'ny mpitandro filaminana. Lasa sehatra tokana ahafahan'ireo Zimbaboeana mpampiasa aterineto miady hevitra momba ity "olana manahirana" ity ny bilaogy.
Tontolo Arabo: “Ny 2011 dia ho taona voamarika anatin'ny tantara”
Mety hoe vao volana May izao fa maro ny zava-nitranga nandritra ny volana vitsivitsy teo amin'ny tontolo Arabo. Taorian'ny vaovao omaly momba ny namonoan'ny Amerikana an'i Osama Bin Laden tany Pakistana, Saodiana atidoha nikotrika ny fampihorohoroana, mandinika ny taona nodiavina ireo mpandefa tweets.
Masedoanina: Làlana Vaovao Mety hanimba ny Lovan-kolontsaina
Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny lova ara-kolotsainan'ny firenena ny Lalàna vaovao ao Masedoniana. Vasilka Dimitrovska, mpanoratra ny bilaogy malaza Archaeological Diary, no nanohitra tamin'ny fametrahana lalàna ankamehana avy amin'ny hevitry ny matihanina iray: Nanao ny Volavolan-dalàna momba ny “fikarakarana zavatra tsy niorina ara-dalàna”, fantatra amin'ny anarana hoe Lalàna ho fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy...