· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jolay, 2017

Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay

Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).

Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.

Però: Mankalaza Ny Tsingeritaonany I Lima 

  22 Jolay 2017

Ny Alahady 18 Janoary, nankalaza ny faha 474 taona niorenany i Lima, Però . Maro ireo bilaogera no nanararaotra ity fotoana ity tamin'ny fanolorana aingam-panahy vitsivitsy ho an'ny tanàndehibe, na nandefa sary maromaro, kanefa nisy ihany koa ny nandefa fieritreretana mikasika ny olana atrehan'ity tanàndehibe midadasika ity.