Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Avrily, 2017

Hetsipanoherana Manohitra ny Kolikoly Ao Romania Sy Ny Vesatry ny Henatra

Na rakotry ny henatra manarona ny firenena aza, nandritry ny andro maromaro i Romania dia toerana iray nanainga fanahy, satria nidina an'arabe ny olona ary niaky ny fisian'ny kolikoly miely patrana.

Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana

Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.

Mankalaza ny Andron'ny Maherifo ao anivon'ny Tsikeran'ny Tambajotra An-tserasera ny ao Mozambika

Raha tsy nanao ho ambanin-javatra ny maha-zavadehibe ny tolona ho amin'ny fahaleovantena, maro amin'ireo Mozambikana no nisera tao amin'ny tambajotra sosialy hieritreritra ny lanjan'ny Andron'ny Maherifo amin'izao vanim-potoana izao.

Printsy ao Zeorzia Miomana Handray Fanjakana Eo Amin'ny Faha-Dimin'ny Taonany

"Fotoana lehibe tokoa ny hoe taorian'ny roanjato taona dia nisy zaza iray nohosorana ho mpanjakan'i Zeorzia."

Manome Topi-maso Momba Ny Firotsahan'ny Miaramila Amerikana An-tsehatra Tao Azia Atsimo Atsinanana Ny Mozea Antseraseran'ny CIA

Azia Atsimo Atsinanana dia faritra nisian'ny firotsahana an-tsehatry ny Amerikana tamin'ny Ady tao Vietnam, izay nitarika ny fihitaran'ny hetsiky ny milisin'ny CIA tany Laos sy Kambodza.

Lalao An-dahatsary Manome Topimaso Kely Somary Hafa Momba Ny Revolitiona 1979 Iraniana

Tantara an-dahatsary iray nataonà Iraniana no mahavita zavatra tsy fahita firy hanomezana fitantarana azon'ny rehetra raisina sy tena marina momba ny tantaran'i Iràna tsy nasiana marimaritra iraisana, na ny votoaty, na ny asa famoronana tao anatiny.

Fanovana Abidia Fanodikodinan-tsaina Ao Kazakhstan

Mihevitra ny mpitarika menavazana ao Kazakhstan fa laharam-pahamehana ny fidirana amin'ny abidia Latina izay efa nokasaina hatry ny ela. Te-hahafantatra ny anton'izany ny mpisera media sosialy ao amin'ny firenena

Iza no Nanaisotra Ilay Takelaky ny Revolisiona 1932 tao Thailand?

"Fampahatsiahivana feno eso ho an-dry zareo Thais ny nanendahana ilay takelaky ny 1932 hoe mety natsahatr'izy ireo ny fitondràm-panjaka tsy refesi-mandidy, saingy mbola misy hatrizao ny jadona tsy refesi-mandidy," hoy ny nosoratan'ny olona iray mpampiasa Twitter.

Ara Malikian, Mpitety Vazantany Sy Mpitendry Lokanga

Nitafa tamin'i Ara Malikian, armeniana lehibe tany Libanona, mpitendry lokanga, momba izay namolavola ny fiainany sy ny mozikany ny Global voices.

31 Taona Aty Aoriana, Niverina ny Hazavana Ao Chernobyl

Tamin'ny herinandro lasa, nisy andianà poloney mpandehandeha nanapaka hevitra ny handrehitra indray ireo jiro ao Pripyat, tanana haolo any amin'ny efatra kilaometatra mahery miala ny vondrom-pihary herinaratra ao Chernobyl