Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Septambra, 2018

28 Septambra 2018

Mikatso ny fizotry ny fandriampahalemana ao Kolombia ary mitombo ny famonoana ireo mpikatroka ara-tsosialy

Rahoviana vao hifarana izao ary ho firy indray no ho faty?

Fankalazana ny Ashura manerantany

Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana.

23 Septambra 2018

Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy

Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy ny pejy Facebook "Angano Mampisaina". Isaorana manokana i Hasina Samoelinanja

22 Septambra 2018

Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana

Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe "Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny "sosialista" dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve...

18 Septambra 2018

Miaro sy mampiroborobo ny hany fiteny kreôla mifototra amin'ny espaniola any Azia ny bilaogy ‘Bien Chabacano’ 

Rising Voices

"Ho avy ny andro izay tsy hitenenana ny fiteny Chabacano afa-tsy ao an-tokantrano ihany raha tsy hoe angaha misy ny fametrahana ezaka lehibe kokoa ifanakonana atao amin'ny fiarovana."

14 Septambra 2018

Ejypta: Ny Andian-tantara Mpanjaka Farouq

Raha nitsidika ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana ianao tato ho ato, dia mety hitanao ny resabe manodidina ny mpanjaka farany Ejypsiana Mpanjaka Farouk; ary tsy mahagaga, satria ny tantara mitohy "Mpanjaka Farouk", nosoratan'i Lamis Jabber, dia nalefa tao amin'ny fantsona zanabolana MBC1.

13 Septambra 2018

Okraina: Fanamarihan'i Marat Gelman

Mba hiomanana amin'ny fitsidihany taorian'ny fifidianana tao Kyiv tamin'ny herinandro lasa teo, nijery ny Ukrayinska Pravda, loharanom-baovao antserasera malaza momba ny vaovao ara-politika, niara-naorin'i Georgiy Gongadze tamin'ny taona 2000 i Marat Gelman, mpisera LJ galerist, Rosiana mpandraharahana ara-javakanto, ary voalaza fa "mpanolo-tsaina miafina"an'i Victor Yanukovych.

Lahatsary: ​​Ny fiverenan'ny lamba nentim-paharazana any Mali

Ahafahana mahita ny lanjan'ny kolontsaina sy ny toekarena any Mali ny asa tanana vita amin'ny lamba nentim-paharazana izay ataon'olon-tsotra na fikambanana.

12 Septambra 2018

Libanona: Lahatsoratra Noraisina Tsy Ankifidy Nandritra Ny Fialantsasatra

Nifanandrify ny andro telo tsy fiasana. Ny taona 2007 no iray amin'ireo taona vitsy ifanandrifian'ny fanisanandro litorjika ho an'ireo kristianina ortodoksa sy ny kristianina katolika. Noho io antony, niara-nankalaza ny fetin'ny Paska avokoa ireo vondrom-piarahamonina kristianina libaney rehetra

10 Septambra 2018

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny...