Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Desambra, 2011

23 Desambra 2011

Tontolo Arabo : Misaotra Anao Mohamed Bouazizi! Misaotra Anao Sidi Bouzid!

Ireo mponina anaty aterineto manerana izao tontolo izao dia mankalaza ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'ilay mpivarotra voankazo sy legioma Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia. Ilay nanomboka ho fanoheranà olona iray noho ny hambmo-po dia nanaitra ny tontolo Arabo ary mihoatra noho izany...

15 Desambra 2011

Pakistana: Ny fahafatesan'i Nusrat Bhutto

Nisaonana nanerana ny firenena ny fahafatesana vao tsy ela an'' i Nusrat Bhutto, vehivavy voalohany ary koa vadin'i Zulfiqar Ali Bhutto. Nambara tamin'ny fomba ofisialy fa andro tsy iasana izany mba ho mariky ny fisaonana , izay niteraka onjana fihetseham-po teo amin'ny mpisera Twitter manontany ny tena hevitra ambadik'ity hetsika...

14 Desambra 2011

Tanzania: Mibilaogy sy Mibitsika ny Tanzania@50

Ny ampahany lehibe indrindra amin'ny taniben'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania, Tanganyika, dia feno 50 taona. Aty anaty aterineto, mankalaza izany ireo bilaogera sy mpandefa bitsika sady misaintsaina izay hoavin'i Tanzania.

12 Desambra 2011

Shina: Manara-maso Ny Fifidianana Ho Filoha Hatao Amin'ny 2012

Ny fahalinan'ireo Shinoa mpiondana aterineto tamin'ny andiany voalohany amin'ireo adihevitra telo tamin'ny faran'ny herinandro izay mitondra mankamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Taiwan amin'ny volana ambony dia manolotra hevitra ny amin'ny tokony hifantohan'ny saina misimisy kokoa amin'ity fihodinana ity mihoatra noho izay natao tamin'ny fifidianana tamin'ny 2008, sy hitarina ihany koa...

Tontolo Arabo Mamaly An'i Gingrich: “Raha Vahoaka Noforomporonina Fotsiny Ny Palestiniana, Ny Amerikana Izany …”

Vahoaka "noforomporonina" ny Palestiniana, izay te-hamotika an'i Israely, hoy ny mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena Amerikana Newt Gingrich. Ny fanamarihany, tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny fantsom-pahitalavitra Jiosy, dia niteraka hatezerana sy rikoriko teo amin'ireo mpiondana aterineto manerana ny tontolo Arabo.

Ejipta: Fankalazana ny Fahazato Taonan'i Naguib Mahfouz

Androany no anamarihana ny fahazato taonan'ilay Ejiptiana nahazo Loka Nobel sy sangany tamin'ny fanoratana bokin-tantara, Naguib Mahfouz. Tsarovana ao amin'ny Twitter izany vanim-potoana izany.