Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Aogositra, 2018

30 Aogositra 2018

Mahatsiaro ireo ezaka nataon'i Kofi Annan tao Timor Atsinanana noadinoina

Timorey an-polony no nitondra labozia fiaretan-tory ho fahatsiarovana ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana Kofi Annan izay nodimandry 2 andro lasa izay ary ny fandraisany anjara tamin'ny fizotry ny Fahaleovantenan'i Timor Atsinanana nandritra ny fotoana niasany tao amin'ny Firenena Mikambana.

28 Aogositra 2018

Ny fanabeazana sy ny foto-kevitra venezoelana

Ny Tetezana - The Bridge

Mieritreritra izany firenena izany aho ary mahatsapa tahotra. Rehefa mandeha eny an-dàlambe maloto sy feno korontana ao Caracas aho, dia mijery ny manodidina ary tohina indray amin'ny endrik'i Chávez mijery ahy avy eny rehetra eny.

27 Aogositra 2018

Nikaragoà: Miverina ao amin'ny Plaza de la Revolución indray.

Manana toerana ahitana foibe ara-tantara sy marika ny tanàna tsirairay. Ao Managua, Nikaragoà, Plaza de la Republica, fantatra amin'ny hoe Plaza de la Revolución no toerana toy izany. Maro ireo tranga ara-tantara nitranga tao amin'io kianja io, toy ny hetsika mpomba an'i Somoza, ny fandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979, sns.

17 Aogositra 2018

Rosia: Fanehoan-kevitra mikasika ny fahafatesan'i Boris Yeltsin

Marobe ireo valinteny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy rosiana manoloana ny fahalasan'i Boris Yelstin, ahitana ny "mandria am-piadanana" ary koa ny hoe "ho voahozona."

16 Aogositra 2018

Okraina: Lokaloka amin'i Youshchenko

Tamin'ny Asabotsy teo, olona an'aliny no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana lehibe tao Kiev: nivory tao amin'ny Kianjan'i Eoropa ireo mpanohana ny Praiminisitra Viktor Yanoukovitch sy ny governemanta fiaraha-mitantanany mba hanohitra ny tetikasan'ny filoha Viktor Youchchenko hanafoana ny parlemanta.

12 Aogositra 2018

Hong Kong: CCTVB Tsia!

Olona maherin'ny 150 000 no nivory tamin'ny 4 jona lasa teo tao Hong Kong, tao anatiny sy manodidina ny kianja Victoria mba hankalaza ny faha-20 taonan'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989....maherin'ny antsasak'ireo gazety eo an-toerana sy ireo fantsona fahitalavitra izay tena malaza indrindra no nanapaka hevitra ny hanao tsinontsinona ilay...

10 Aogositra 2018

Kambodza: Fiantombohan'ny Fitsaràna Mpitarika Iray Tao Amin'ny Khmer Rouge

Ny 30 martsa 2009, natombok' ireo Fitsaràna Manokana ao amin'ny Tribonaly an'i Kambodza misahana ny Fitsaràna an'ireo Heloka bevava natao nandritra ny vanim-potoanan'ny Kampuchea Demokratika, na ECCC ny fihainoana voalohany an'i Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Douch.

06 Aogositra 2018

Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady

Misy fombandrazana iray somary henjana ao Angola, manodidina ny fangataham-bady, antsoina hoe "alambamento". Heverina mihitsy ho manandanja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola.

02 Aogositra 2018

Kambodza : Fisalasalana manodidina ny fitsarana an'ireo Khmers Mena

Olana roa lehibe ao anatin'ny fitsarana ireo Khmers mena ao Kambodza ny fampihenana ny kolikoly mifandray amin'ireo fanomezana ara-bola atolotra ho an'ny fitsarana sy ireo isana fitsarana voafetra ho toy ny an'ireo olona dimy mpitarika lehibe tao amin'ny khmers fotsiny.