Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2011

Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy

Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo - ary mampidera ny...

Frantsa : Fanalàna Azy Ho an'ny Tontolon'ny Tweet Ny Fampielezan-kevitra Hofidiana ho Filoha

Dia efa tena nanomboka tokoa moa izany ny fampielezan-kevitra ho fidiana ho filoham-pirenena 2012 ao Frantsa ary manaporofo izany ireo tambajotra sosialy toy ny Twitter. Ireo fifidianana savaranonando ho an'ny kandidà avy amin'ny elatra havia dia nampanonjanonja tokoa ny tontolon'ny fanapariaham-baovao tato anatin'ireo herinandro faramparany teo sady namoaka an'i François...

Kamerona: Tsy Nandray Anjara Tamin'ny Fifidianana Ireo Any Ampielezana

Kamerone mpifidy miisa fito tapitrisa no nantsoina tamin'ny 9 Oktobra 2011 mba handatsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenen-dry zareo manaraka. Na izany aza, ny resaka fanaovana ankivy no toa mpandresy goavana tamin'ity fifidianana ity, indrindra indrindra fa ho an'ireo Kamerona monina any ivelany. Mitatitra i Julie Owono.

Polonina: Hetsika Facebook Manindry Ny Mpanao Politika

Nandritra ireo roa volana lasa, nisy hetsika iray tao amin'ny Facebook nantsoina hoe “Appeal to parliamentarians” [pl], na "Antso ho an'ireo Parlemantera", izay nanana mpanjohy maherin'ny 60.000, nanangona vaovao avy eny ifotony mba hanatsaràna ny tontolon'ny lalàna Polone. Aty alohan'ny 9 Oktobra 2011, fifidianana izay ho parlemantera, nanolo-kevitra an'ireo antoko...

Moldavia: Saritaka diplomatika nandritra ny fetim-pirenena Rosiana

 Nankalaza ny fetim-pirenena ny Federasiona Rosiana tamin'ny 12 Jona (Andron'ny Rosia). Tany Moldavia, nisy fifamaliana [ro] diplomatika ny andro nialoha ity fety ity izay nivadika ho fanalam-baraka diplaomatika ity. Nitatitra ny haino aman-jery fa nomen'ny Ambasadera Rosiana Valeri Kuzmin [ru]  toerana [ro] nandritra ny lanonana ofisialy nokarakaraina tamin'ny 10 Jona, tao amin'ny Masoivoho...

Panama: Rava ny Governemanta Iombonana

Nesorin'ny filoha Panameana Ricardo Martinelli teo amin'ny toerana maha-Chancelier azy ny filoha lefitra Juan Carlos Varela, niteraka ny faharavan'ny fiombonana teo amin'ireo antoko eo amin'ny fitondràna. Haingana dia haingana ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter. Saika teo noho eo dia noforonin'ireo mpampiasa twitter ny tenifototra #siyofueravarela (raha izaho no Varela) izay hiresahan'ireo...

Kamerona: Mipoitra Mialoha ny Fifidianana ny Nasionalisman'ny Mpiteny Anglisy

Tahaka ny maha-anatin'ny fampielezankevitra fifidianana amin'ny 9 Oktobra 2011 izao, fifidianana ho filoha any Kamerona, niezaka nanao hetsika tao Buea renivohitr'i Kamerona Atsimo nozanahin'ny Anglisy taloha ny mpanohana ny hetsika mpisintaka sy mpiteny anglisy tamin'ny voalohany oktobra teo.

Kamerona : Afaka Hifidy Ve Isika Amin'ny Alahady Izao?

Ny Alahady 9 oktobra ho avy izao, fanineniny eo amin'ny tantaran-dry zareo no antsoina daholo ireo Kamerone rehetra mba hifidy izay ho filohan'ny repoblikany. Fifidianana iray hiavaka noho ny hamaroan'ny mpirotsaka ho fidiana ary ny mpifidy, maherin'ny 7 tapitrisa, na izay ao Kamerona ihany, na any ivelany, ary ireo fanontaniana...

Kamerona: Resabe Manodidina Ny Fampielezan-Kevitra Amin'ny Fifidianana

Niditra amin'ny herinandro farany amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidiana izay ho filoham-pireneny ny Repoblikan'i Kamerona ao Afovoan'i Afrika, izay hofarana ny 9 Oktobra 2011. Raha efa tonga ao an-toerana ireo mpanaramaso iraisam-pirenena momba ny fifidianana mba hijery ny fizotry ny fifidianana, tsy dia mahavita mandresy lahatra loatra ny vahoaka Kamerone...