Kamerona: Mipoitra Mialoha ny Fifidianana ny Nasionalisman'ny Mpiteny Anglisy

Tahaka ny maha-anatin'ny fampielezankevitra fifidianana amin'ny 9 Oktobra 2011 izao, fifidianana ho filoha any Kamerona, niezaka nanao hetsika tao Buea renivohitr'i Kamerona Atsimo nozanahin'ny Anglisy taloha ny mpanohana ny hetsika mpisintaka sy mpiteny anglisy tamin'ny voalohany oktobra teo.

Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana ny mpikatroka maro izay mpanohana ny antoko mpisintaka Southern Cameroons National Council (SCNC) [Vaomieram-pirenena Kamerona Atsimo] ny ankamaroany.

Namoaka diary avy amin'ny mpikambana ao amin'ny SCNC 150 notazonin'ny mpitandro ny filaminana tao Buea ao amin'ny bilaogy iraisana Up Station Mountain Club ny mpanao gazety Patrick Sianne:

Nosamborina niaraka sy tamin'ny fomba mahery vaika tany amin'ny toerana samihafa tao Buea indrindra fa tao Mile 17 izay toerana hizorana, izahay ny voalohany oktobra 2011, hanombohana ny Fahatsiarovana ny Diabem-pahafahanay, hotontosaina ao amin'ny kianja Bongo. Ankona sy talanjona izahay raha niatrika tampoka ny polisy mitam-piadiana avy amin'ny GMI N0 5, sy alam-baraka tanteraka, niteraka ahiahy amin'ny fahazoanay fa tsy mba heverin'ny tafika ho olom-pirenena feno, manana zo mitovy, indrindra fa ny zo haneho hevitra, ka tafiditra amin'izany ny zo hivory hilaza ny alahelonay izahay Kameroney Tatsimo.

RANGOTRA:
Taorian'ny roa andro maharary tsy nanaovana heloka, noho ny zavatra efa nihatra sy mbola hihatra, takianay indrindra:
• Ny zonay hanana fanapahan-kevitra manokana ho anay ary eken'ny lalàna iraisam-pirenena izay hajaina hatramin'ny antsipiriany ary tokony hisintaka miaraka amin'izay koa ny tafika mpanani-bohitry ny fitondrana, hahatonga anay ho tompon'[andraikitry] ny hoavinay.
Vita teto amin'ny efitra fisakafoanan'ny GMI N0 5, ny andro faharoan'ny volana oktobra, taona faha-2011 ny Tompontsika.

NB: Mitoetra ho vahoaka hafa izahay, mifikitra amin'ny herin'ny fisainana fa tsy amin'ny fisainan'ny hery.”

Southern Cameroons National Council militants singing liberation songs while in detention. Image courtesy of Cameroonian journalist Patrick Sianne who was also detained by security forces.

Mpikambana ao amin'ny Vaomirem-pirenena Kamerona Atsimo mihiram-pahafahana nandritra ny fitazonana azy ireo. Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'ny mpanao gazety Kameroney Patrick Sianne izay notazonin'ny mpitandro ny filaminana ihany koa.

Nanoratra ihany koa i   Solomon Amabo fanitazona an'i Njoh Litumbe, iray amin'ny mpitarika mpisintaka, tao amin'ny fonja ny tafika ary nikasi-tanana mpanao gazety:

Manoratra aho ho fanamariana fa any am-ponja i Molah Njoh. Teo anoloan'ny tranony no nodarohan'ny polisy aho, ary nosintoniny ny kara-panondroko. vao minitra vitsivitsy lasa izay. Niaraka tamin'i Mua Paul sy mpiara-miasa iray hafa aho. Tany izahay te-hizaha raha mbola velona i Mola Njoh noho ny fahitana ny vondro-tafika nanodidina ny tranony.

Raha ny Ofisialy dia ny voalohany Oktobra no fetin'i Kamerona Atsimo nozanahin'ny Anglisy taloha sy ny firenena mahaleo tena nozanahin'ny Frantsay taloha tafatambatra indray hananganana ny Repoblika Federalin'i Kamerona tamin'ny 1961.

Na izany aza dia misy ny mpiteny anglisy sasany mahita ny fifandraisana ho fanakambanana-fanjanahana avy amin'ireo nozanahin'i Frantsa taloha ka iantsoany fisintahana ka ny mitabataba indrindra dia rehefa mahatsiaro indray ny lazainy ho fetin'ny fahaleovantenany. Ambaran'ny fitondrana mandrakariva ho tsy ara-dalàna hatrany moa ireny fivoriana sy fihetsiketsehana ireny ary dia miafara amin'ny fanenjika eo amin'ny mpikatroka sy ny mpitandro ny filaminana hatrany ny raharaha.

Inty ohatra amin'izay hirain-dry zareo rehefa migadra ry zareo, araka ny lazain'ny bilaogy Up Station Mount Cameroon:

This is the voice of the Mighty Lord.
Let My People go. X2
Voice of the Mighty Lord
“Go down, go down
Go down to Buea
And tell Biya [N.B. President of Cameroon]
Biya let my people go”

Izao no feon'ny Tompo Tsitoha.
Avelao ny Oloko Handeha x2
Midìna, midìna
Midìna ho any Buea
Ary ilazao i Biya [N.B. Filohan'i Kamerona]
Biya avelao ny oloko handeha

Nefa misy dimy ny mpiteny anglisy – John Fru Ndi, Kah Walla, Ben Muna , Paul Ayah ary i George Nyamdi – anisan'ny 23 mirotsaka hofidiana ho filohan'i Kamerona amin'ity taona ity.

Stephen Neba-Fuh izay mibilaogy ao amin'ny Voice of the Oppressed mametraka ny heviny ho an'ny mpiteny anglisy rehetra izay “mahazo ny Kameroney Tatsimo (miteny anglisy)”. Io no heveriny ho fanararaotra hametrahana ny lohahevitra ho an'ny mpiteny anglisy avy ao anatiny:

Noho izany, ny tsy fahafahana manakana ny Kameroney Tatsimo tsy hanao politika eto amin'ny Repoblikan'i Kamerona dia tsy mamela antsika afa-tsy mametraka tetipanorona amin'ny tolona manana endrika maro. Rehefa tsy niditra tamin'ny fandraisana fitaovam-piadiana ihany ny tolona, mety haneritery sy tsy hampandroso ny tolon'ny Kameroney Tatsimo io raha manao fihetsika tokana indrindra fa amin'ny fanekena tsy fidiny. Na izany aza manana ny kara-panondrony isika, mitondra ny pasipaoriny ary midina any amin'ny seranam-piaramanidiny, koa maninona raha miditra ao anatin'ny rafitra napetrany dia mitolona hatrao anatiny.

Tany amin'ny Famelabelarana iray any dia nisy kandidà filoha (mpiteny Frantsay) iray, Jean Njeunga, niteny fa tsy misy ny olana momba ny mpiteny anglisy any Kamerona. Nolazainy tamin'ny mpanao gazety avy amin'ny tsy miankina Equinoxe TV fa ireo olona miantso ny fisintahan'ny faritra mpiteny anglisy dia avy any Nizeria na Nizeriana.

Jereo ny Lahatsary etsy ambany ahitana an'i Jean Njeunga miresaka momba ny mpiteny anglisy [Nanomboka niresaka momba ny mpiteny anglisy izy eo amin'ny 6 min 25 sek].


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.