Kamerona : Afaka Hifidy Ve Isika Amin'ny Alahady Izao?

Ny Alahady 9 oktobra ho avy izao, fanineniny eo amin'ny tantaran-dry zareo no antsoina daholo ireo Kamerone rehetra mba hifidy izay ho filohan'ny repoblikany. Fifidianana iray hiavaka noho ny hamaroan'ny mpirotsaka ho fidiana ary ny mpifidy, maherin'ny 7 tapitrisa, na izay ao Kamerona ihany, na any ivelany, ary ireo fanontaniana mipetraka momba ny fihetsika asehon'ny Elecam, kaomisiona iray nampiandraiketina ny fandrindrana ny fifidianana.

Kaomisionan'ny fifidianana ao Kamerona, Elecam, sary avy amin'i verni22im: fahazoan-dàlana Creative Commons-NC-2.0

Ity fifidianana ity mazava loatra, no hanamarika ny tantaran'i Kamerona, tsy noho ny  isan'ny mpirotsaka voasoratra anarana, betsaka tokoa, fa noho ny ezaka nataon'ny governemanta mba hahafahan'ny Kamerone rehetra, eny fa hatramin'ireo  ampielezana, mba ho afaka hampandre ny feony mandritra io fifidianana io. Araka izany, ho an'ireo mpifidy maherin'ny 7 tapitrisa andrasna, dia nampitomboina ny isan'ny birao fandatsaham-bato, araka ny anipihan'ny gazetim-pirenena mpiseho isan'andro mivoaka amin'ny tenim-pirenena roa ao an-toerana, Cameroun Tribune:

Izy rehetra ireo dia haparitaka aminà biraom-pifidianana 24.670, izany hoe  24 591 ao anatiny, ary 79 sokafana any ivelan'ny firenena amin'ireny masoivoho diplaomatika sy kaonsilin'i Kamerona ireny izay tsy maintsy mandray io fifidianana io.

Saingy, lavitra an'ireo ezaka maha-te-hidera ireo, betsaka ny fisalasalàna mbola mitoetra foana mikasika  ny fikarakarana ity fifidianana ity. Satria, herinandro monja mialoha ny andro farany, mbola betsaka no tokony hatao.  Ohatra, ny lisi-pifidianana naseho vahoaka tamin'ny 21 sptambra lasa teo dia miteraka ahiahy maro ny maha-ara-dalàna azy, araka izay anipihan'i  Nicolas Vounsia avy ao amin'ny gazety  Mutations azy, naverin'ny tranonkalam-baovao Cameroon Info.net navoaka toy izao :

Na teo aza ny ezaka fanadiovana n y lisi-pifidianana nataon'ny  Elecam, misy ny olona sasany mahita ny anarany voasoratra in-droa miaraka amin'ny mombamomba azy anaty lisitra samihafa. Nefa miaraka aminà laharan-karapanondro sy laharana birao fandatsaham-bato hafa. Izany hosokosoka izany dia hita mivandravandra amin'ny lisi-pifidianana sasany  natao peta-drindrina.

préparation des éléctions par Elacam

Fanomanana fifidianana ataon'ny Elacam – sary DW Akademie -Africa ambany fahazoan-dàlana creative commons-2.0-NC

Ny olana iray hafa dia mikasika ny kara-pifidianana. Raha efa vonona izany ho an'ny sampana Elecam (andrim-panjakana natao handrindra ny fifidiananao Kamerona) any amin'ny kaominina sasany ary efa azon'ireo mpifidy ny maka ny azy ho any aminy, araka ny  anipihan'ity bilaogera vavy ity azy, dia mbola tantara hafa ihany koa io resaka fakàna ny kara-pifidianana io ho an'ny hafa, araka ny anamafisan'i Georges Ndenga azy ao amin'ny  Africa-Info:

Izay noheverina ho fomba fanao tsotra fotsiny, dia nivadika ho nofy ratsy, na izany ho an'ireo mpifidy mavesa-danja, na ho an'ireo olom-panjakana ao amin'ny Elecam […] Totottra olona ny biraon'ny Elecam vntany vao nambara ny fanombohan'ny fizarana ny kara-pifidianana. Ireo lisitra natao peta-drindrina tany amin'ireo faritry ny kaominina sasany, noho ny oram-batravatra, dia nanjary tsy hay vakiana, ny ranomainty natankoson'ny ranon'orana. Hatreo amin'io fetra io, angatahana aminao ny tapakila nisoratanao anarana raha tsy izany dia soratana eo aminà taratasy kely ny anarana sy fanampin'anaranao mba hahafahana mikaroka ao anaty solosaina hahafantarana raha tena voasoratra anarana tokoa ianao ary aiza ny biraom-pifidianana tokony hisy anao mba hanombohana ny fitadiavana ny karatrao.

Manoloana ny fibosesehan'ny olona, mpiasa iray na roa no mandray anao saingy ny iray ihany no tena manatanteraka ny fikarohana ao anaty solosaina  ary arakaraky ny andehanan'ny ora no itomboan'ny filaharana ihany koa ary dia miakatra ny feo. Niainga ny teny ratsy, ny fifandrahonana ary ny vazavaza  teo amin'ireo mpila raharaha sy ireo mpiasam-panjakana. Ny fisian'ny polisy iray nanao fanamiana  sy nitondra fitaovam-piadiana no hany tokana nahafahana nisoroka ny fifandonana.

Na izany aza, ny fanontaniana goavana mitohy apetraky ny olon-drehetra dia ny fahafantarana hoe : aiza isika no handeha hifidy ? Iray herinandro monja mialoha ity fifidianana ity, afa-tsy ireo any ivelany, maro irao Kamerone tsy mbola mahafantatra foana ny birao tokony handatsahany vato amin'io andro io, tsy mbola misy sarintanin'ireo biraom-pifidianana azo jerena aloha hatreto.

Ny singa iray tsy mbola fantatra dia ny ho akon'ireo antso marobe tsy handehanana hifidy [en anglais] amin'ity fifidianana ity nalefa tetsy sy teroa nandritra ny taona.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.