Nakarin'ny Mpanohitra NPP Fitsarana ny Vali-Pifidianana Filoham-Pirenena ao Ghana

Tsy neken'ny New Patriotic Party (NPP = Antoko Tia Tanindrazana Vaovao), antoko mpanohitra lehibe indrindra any Ghana, ny vali-Pifidianana Filoham-Pirenena [mg] farany teo, ka nilazan'izy ireo fa nisy ny hala-bato. Nakarin'ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao teny amin'ny fitsarana ny raharaha noho ny fandavan'izy ny voka-pifidianana navoakan'ny Vaomieram-pifidianana.

Araka ny nolazain'i Ghana Decides:

The largest opposition party in Ghana, the New Patriotic Party (NPP) has challenged the results of the 2012 Presidential election, accusing the Electoral Commission of Ghana of colluding with the incumbent, National Democratic Congress (NDC) to steal votes.

The Chairman of the Electoral Commission, Dr. Kwadwo Afari Gyan, has denied the allegations saying the the NPP can challenge the results in Ghana’s courts according to the electoral laws of the country.

Tsy neken'ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao, antoko mpanohitra lehibe indrindra any Ghana, ny voka-pifidianana filoham-pirenena 2012, tamin'ny fiampangan'izy ireo ny Vaomieram-pifidianana ao Ghana ho mifandray tendro mangala-bato miaraka amin'ny Kongresy Demokratika Nasionaly (NDC).

Nolavin'ny filohan'ny vaomieram-pifidianana, dr. Kwadwo Afari Gyan, ny filazan'ny NPP ho afa-mandà ny valim-pifidianana eny amin'ny fitsarana Ghaneana araka ny lalàm-pifidianana ao amin'ny firenena.

Nambaran'ny filohan'ny vaomieram-pifidianana, Dr. Kwadwo Afari Gyan, ho mpandresy nahazo ampaham-bato 50,70% ny filoha Mahama, izay nahalavo ny mpifaninana aminy voalohany Nana Akufo-Addo avy amin'ny NPP izay nahazo ny 47,7% ny vato.

Tombam-balim-pifidianan'ny NPP navoakany serasera. loharanontsary: pejy facebook Nana Ado (kandidà NPP).

Ny tombam-balim-pifidianan'ny NPP hita ao amin'ny pejy Facebook dia mampiseho fa nandresy ry zareo araka ny valim-pifidianana nangoniny avy amin'ny solontenan-dry zareo teny amin'ny biraom-pifidianana. Mitatitra i Ghana Decides:

The NPP maintains that results on the “blue sheet”, which they received at polling stations and collation centres across the country, where slightly change to favour Candidate Mahama of the NDC.

Party gurus of the NPP have been holding a crunch meeting over the matter whether to consider a court action.

Tazonin'ny NPP ny valiny eo amin'ny “taratasy manga”, izay noraisin-dry zareo teny amin'ny tobim-pifidianana sy ny fanangonam-bato manerana ny firenena, izay niova tsikelikely hanome vahana ny kandidà Mahama avy ao amin'ny NDC.

Nanao fivoriana maika tamin'ity raharaha ity ireo mpitarika ao amin'ny NPP hiheverana raha hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana na tsia.

Nitatitra ny Ghana Decides:

Following this, the NPP has resolved to take the issue to court and has vowed to use all available legal means to seek justice. Meanwhile, numerous supporters of the NPP have poured onto the streets of Circle, ostensibly to listen to party leaders who are assembling near the Kwame Nkrumah Circle to address the teeming crowd.

Many observer and monitoring missions, including the African Union and CODEO have endorsed the results of the Electoral Commission and have called for calm.

Nivoaka tamin'izany fa nanapa-kevitra ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny NPP ary nivoady ny hampiasa ny fomba manara-dalàna rehetra hikarohana ny rariny. Mandritra izany fotoana izany, nidina teny an-dalamben'ny Faribolana ny mpanohana maro avy ao amin'ny NPP, izay milaza fa hihaino ireo lehiben'ny antoko izay mivory eo akaikin'ny Faribolana Kwame Nkrumah izay hanao fanambarana amin'ny vondron'olona mihaohao.

Nanaiky ny valim-pifidianana navoakan'ny Vaomieram-pifidianana ny mpanara-maso sy ireo iraka fanaraha-maso, izay ahitana ny Vondrona Afrikana sy ny CODEO  ary miantso fitoniana.

Indreto ny fomba fijerin'ny Ghaneana sasantsasany ao amin'ny Twitter:

@nosivid: Nana Addo goes round repeating bogus allegations of electoral fraud with the claim of having evidence and calls it EXPLANATION #GhanaDecides

Tsy mitsahatra ny mamerimberina ny fisian'ny hosoka amin'ny fifidianana sy ny filazana fa manana porofo amin'izany i Nana Addo ary miantso izany ho FANAZAVANA #GhanaDecides

@kwasireports: “I'll go2 court”-Nana Akuffo-Addo reaffirms as NPP preps evidence 2 back claims of electoral fraud by rulin NDC #GhanaDecides #amaniee

“ho eny amin'ny fitsarana aho” hoy ny fanitrikitrihan'i Nana Akuffo-Addo raha mbola mikarakara ny porofon'ny fangalaram-bato ataon'ny antoko mitondra NDC ny NPP

@nfaoforiatta: It is clear they know they lost. May Ghanaians stand by the truth when it is revealed. Tis our destiny to protect. #GhanaDecides

Mazava fa fantatr'izy ireo fa resy ry zareo. Enga anie hijoro eo amin'ny marina ny Ghaneana rehefa mivoaka izany. Izay ny hoavintsika harovana.

@Kwabena: Ah well, I thought they wouldn't file. Let the Supreme Court decide now. #GhanaDecides

Hay, nieritreritra aho fa tsy hitory ry zareo. Avelao ny Fitsarana Tampony no hanapa-kevitra.

@sam_btw: Ghana's opposition NPP discovered >10% irregular votes in presidential election 2012. Fraud? Now it's up to the supreme court. #GhanaDecides

Mahatsikaritra vato tsy ara-dalàna tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2012 latsaky ny 10% ny mpanohitra Ghaneana NPP. Hosoka? Anjaran'ny Fitsarana Tampony izao.

Nametraka fitoriana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Fitsarana Tampony ny mpisolovavan'ny NPP tamin'ny 28 Desambra 2012. Manana andro 21 monja ny NPP hanoherana ny valim-pifidianana araka ny lalàna fa raha tsy izany dia hianiana ho filoha amin'ny 7 Janoary 2013 ny efa mitondra ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.