Fanentanana #Nimeregister Hampiroboroboana Ny fisoratana Anarana Hifidy Ao Kenya

Hotontosaina amin'ny 4 marsa 2013 eo ambany elatry ny lalampanorenana vaovao ny fifidianana ankapobe ao Kenya, lalampanorenana nolaniana tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka nanerana ny firenena tamin'ny 2010.

Araka ny Vaomiera Mahaleo tena Voafetra Ho Amin'ny Fifidianana ao Kenya, fa tamin'ny Alatsinainy 9 desambra 2012  dia 8,6 arivoarivo [tapitrisa] ihany no nisoratra anarana amin'ny heverina ho mpifidy mahatratra 18 arivoarivo [tapitrisa]. Ny fara-fisoratana anarana hifidy anefa dia amin'ny 18 Desambra 2012.

@Cleobor mmapiseho ny kara-pifidianany ao amin'ny Twitter. Sary hatsaram-pon'i @Cleobor.

Ary efa manakaiky moa ny fotoana farany, mampiasa ny tenifahatra #nimeregister ny keniana ao amin'ny Twitter handrisihana ny hafa hifidy sy hizara ny fampahafantarana ny fisoratana anarana, zava-niainana ary ny sary. Nimeregister dia fitambaran'ny teny Swahili sy anglisy (Sheng) izay midika hoe “nisoratra anarana aho.”

#Nimeregister ary afa-mirehareha amin'izany:

@samdemic: I am a registered voter of Nakuru East constituency. #Nimeregister

Voasoratra hifidy ao amin'ny fari-pifidianana Nakuru Atsinanana aho

@BeateWN: #Nimeregister two weeks ago,waiting kutoa #mavulture on #March4 [waiting to remove the vultures (corrupt politicians)]

Nisoratra anarana tapa-bolana lasa izay, miandry ny fotoana hanesorana ireo politisiana mpanao kolikoly amin'ny 4 marsa.

@shikohtwit: “@MikeMachariaSST: I am now a registered voter . Process was quick and efficient . pic.twitter.com/iWAi2P0H” #nimeregister

Mpifidy voasoratra anarana aho izao. Haingana sady mahomby ny fanatontosana izany.

@Kamaley: In record 5 mins, i am a Registered Voter. March 2013 needs to come soon.#nimeregister.

Tao anatin'ny dimy minitra dia mpifidy voasoratra anarana aho. Ilaina ho tonga haingana ny marsa 2013.

#Nimeregister advice:

@kenyanpundit: Good to see the #nimeregister hashtag picking up – registered to vote? Share your picture and tag it #nimeregister

Mahafinaritra ny mahita fa miaka-danja ny tenifahatra #nimeregister – voasoratra hifidy? zarao ny sarinao ary ifaharo #nimeregister 

@kenyanpundit: Registered as a voter? Get your #nimeregister badge here: http://www.picswitch.com/s/gzwgj

Voasoratra anarana hifidy? raiso eto ny badge-nao

@OleMartinezM: RT @waithash: If you don't register this time round, you lose any right to complain about poor leadership #KOT #nimeregister

Rehefa tsy misoratra anarana ianao amin'izao fotoana izao dia very zo hitaraina amin'ny tsy fahaiza-mitarika.

@kenyanpundit: RT @zestex: Find a polling station near you at http://vote.iebc.or.ke/ then register. Be the change you want #Nimeregister

Tadiavo ao amin'ny http://vote.iebc.or.ke/ ny biraom-pifidiana manakaiky anao dia misoratana anarana. Mbà ho ilay fiovana tadiavinao.

@NiKuvuka: @shecyclesnbi The card you got is the confirmation slip. Take a pic of yourself with it and post it #nimeregister

Taratasy fanamarinana ny karatra voarainao. Alaivo sary miaraka aminy ny tenanao dia avoahy ho hita.

@mwasjd: “@Chiefkariuki: Please let us all register as voters. it is the only way to participate in the elections.” #Nimeregister

Miangavy ndao hisoratra ho mpifidy. izay ihany ny fomba tokana handraisana anjara amin'ny fifidianana.

@NiKuvuka: Have you registered?? Take a photo of yourself holding your voter registration confirmation slip and upload it to our page! #nimeregister

Efa nisoratra anarana ve ianao? makà sary ny tenanao mitazona ny taratasy fanamarinana dia akaro ao amin'ny pejintsika!

@J_Njeri: Dear Kenyans, remember to give your employees time off so that they can register as voters! Their voice counts too! #Nimeregister

Ry Keniana malala, tsarovy ny manome fotoana ho an'ny mpiasanao ahafahany misoratra anarana ho mpifidy! mikaonty ihany koa ny feon'izy ireny!

Olompirenena Tompon'andraikitra:

@dimoz: Am a true kenyan #nimeregister @bellelinde @nyachio_b @makodingo @fokango @ClanSewe http://via.me/-7pguk3o

izao aho vao tena kenyana

@waithash: The Voter's card is the best weapon you can use to bring the change that you've so desired for your country. #KOT #nimeregister

ny karatry ny mpifidy no fitaovam-piadiana tsara indrindra hitondra ny fanovana izay irianao indrindra ho an'ny firenenao.

@Alan_Wachira: Its My Duty,My Responsibility #NimeRegister pic.twitter.com/vnRfcnUC

Adidiko, andraikitro

@cmukabana: #nimeregister kura yangu sauti yangu [my vote, my voice]

ny vatoko, ny safidiko

Registration is simple:

@brendawambui: I have to give it up to the IEBC [Independent Electoral and Boundaries Commission]. The whole registration process was less than 2 minutes! 🙂 #nimeregister #gottovote

tsy maintsy nanatitra azy tany amin'ny IEBC [Vaomiera Mahaleo tena Voafetra Ho Amin'ny Fifidianana ao Kenya]. Vita tanatin'ny roa minitra monja ny fomba fisoratana anarana iray manontolo! 🙂

@abuokari: Am registered.Kilimani Primary.less than 3 mins. #NimeRegister

Voasoratra ho mpifidy aho. Fari-pifidianana Kilimani. tanatin'ny 3 minitra.

@njorogekui: “@kenyanpundit: Well done! RT @njorogekui: So registration took me less than a minute. #nimeregister” there we go!! pic.twitter.com/23b35DIG

Vita! izany hoe tanatin'ny iray minitra monja dia vita ny fisoratana anarana.

Farany nanampy i David Wanjiru:

@DavidWanjiru: Between now and Dec 18, the most important thing to do is register, get others to. Me #nimeregister. Baadaye tuanalyse mavu? [We will analyze the vultures (corrupt policians) later]

Manomboka izao ka hatramin'ny 18 desambra, ny zava-dehibe indrindra tsy maintsy atao dia ny misoratra anarana, ento koa ny hafa. Voasoratra anarana aho. hohadihadiantsika amin'ny manaraka ny mpanao politika mpanao kolikoly.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.