Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2019
Mampiasa vola be amin'ny fanatanjahantena ara-miaramila sy famelomana tantara mba hanatsarana ny fitiavan-tanindrazana i Viktor Orbán ao Hongria
Nandrotsaka euro an-arivony tany amin'ireo fikambanana ara-panatanjahan-tena sy ireo vondrona mpamelona tantara ny minisiteran'ny fiarovana Hongroà mba hampiditra ao an-tsaina ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana eo amin'ny tanora, araka ny tatitra avy amin'ny Atlatszo.hu, fampahalalam-baovao tsy miankina mpanao fanadihadiana.
Izay Nampianarin'ireo ‘Tatin-jaza’ Ahy Mikasika An'i Eoropa

"Miaraka amina fidirana tsy misy teritery amin'ny aterineto sy amin'ny fampahalalam-baovao, nifoha ny saina tia manadihady tao anatiko ary nanomboka nihevitra an'ireo tsy mampiasa afa-tsy fisaina roa fototra, toy ny "mandroso" sy "efa lany andro", ka mamerina manadihady indray ny politika ao Tiorkmenistana sy any Andrefana."
Ho fitiavana ny teny: boky tantara foronina voalohany natonta amin'ny teny Mro
Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-drazana ny 21 Febroary lasa teo ary ho fankalazana izany, namoaka sy nizara tantara foronony voalohany amin'ny endrin-tsotra teny Mro ho an'ireo foko monina any amin'ny faritra sisintany eo anelanelan'i Myanmar, Bangladesh sy India ny fikambanana iray mpanao asa soa.