Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Mey, 2011
Meksika: Miara-mihira amin'ny mpianatra nandritra ny fifampitifirana
Niely haingana dia haingana amin'ny firenena mpiteny espaniola ny lahatsary YouTube iray mampiseho mpampianatra garabola iray miara-mihira amin'ny mpianany hampitony ny ankizy nandritra ny fifampitifirana iray tany Monterrey, Meksika.
Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo
Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.
Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano
Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy:
Malaizia: Toby fanazarana “hanampiana” ny zazalahy manao toetram-bavy
Noho ny fahazarany somary manao fombam-behivavy, nalefa tany amin'ny toby fanazarana ny tovolahy mpianatra 66 avy amin'ny fanjakan'i Terengganu mba "hanampiana azy ireo hitondra tena amin'ny fomba mety". Nozarazarain'izany olana izany ny tontolon'ny blaogy any Malaizia.