Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Febroary, 2009
Ejipta : Ny fihetsiketsehan'ny mpianatra
Nanamarika ny tantaran'i Ejipta amin'izao vanin'andro izao ny zava-nitranga nahamenatra niseho ny 21 febroary 1946. Tamin'izay andro izay dia mpianatra an-jatony nanao fihetsiketsehana teo amin'ny tetezana mitsingevana Abbas Bridge no...
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany
Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora
Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)
Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”
Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:
Amin’ny fetin’ny mpifankatia: Ampianaro mitoraka biloagy (na mamahana bolongana) ny olon-tianao.
Ny andron’ny mpifankatia (ny 14 febroary) izay andro natokana ho an’ny fitiavana, fisakaizana ary fifaneraserana. Inona ary no fomba tsara indrindra mba ahafahana manamarika ny fahafahana hanararotra hampianatra ny olon-tianao hitoraka bilaogy na hamahana bolongana tsikelikely (micro-blog)?