· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Novambra, 2012

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa:

“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia

  13 Novambra 2012

Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Austin, Texas. Taorian'ny fahavitan'ny fianarana, nanohy nametraka fifandraisana matihanina ilaina amin'ny famoronana ilay fantatra amin'ny anarana...

Sary Feno Herisetra Aseho Ilazàna Fa Ilaina ny Lalàna Miaro ny Ankizy

  12 Novambra 2012

Nanjary nalaza tamin'ny aterineto avy hatrany ilay sary mampiseho vehivavy mpampianatra zaza madinika, izay sady mitsiky no manainga ilay ankizy amin'ny sofiny izay midradradra mitomany mafy, taorian'ny fandraketana ny sary tamin'ny aterineto tamin'ny 24 Oktobra 2012. Fantatra avy eo fa mpampianatra tsy manana fahazoan-dalana i Yan Yanhong, nilaza tamin'ny mpanao gazety...

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

  05 Novambra 2012

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...

Pakistana: Voaroaka Tao LUMS ny Dr. Pervez Hoodbhoy

  02 Novambra 2012

Noesorina tao amin'ny LUMS (Oniversite Lahore momba ny Fitantanana Ara-tsiansa) ny Dr. Pervez Hoodbhoy, maintimolalin'ny MIT sy fizisiana ambony fanta-daza. Tsy hohavaozina amin'ny fe-potoana manaraka ny taratasim-pifanekena arak'asan'ny Dr. Hoodbhoy izay tokony hanomboka amin'ny Janoary-2013. Nanjary vaovao malaza tao amin'ny Twitter ny taratasy fifanekena arak'asan'i Dr. Hoodbhoy. Fijerin'i Dr. Hoodbhoy Tao...

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

  01 Novambra 2012

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina ankehitriny.