· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Oktobra, 2011

Côte d'Ivoire : Rahoviana Ny Fanokafana Indray Ireo Anjerimanontolo?

Nandritra ny disadisa nialoha ny fifidianana tao Côte d'Ivoire, ireo anjerimanontolo telo ao amin'io firenena io (Cocody, Abobo-Adjamé sy Bouaké) dia nakatona ary tsy nasiana olona tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra. Raha betsaka tamin'ireo Ivoariana no nadray izany fanapahan-kevitra izany tamin'ny lafiny tsara, amin'izao fotoana kosa dia maro ireo mametra-panontaniana manoloana ny manjavozavo mikasika ny ho fanokafana indray ireny anjerimanontolo ireny. Mandroso vaha-olana fiandry ny mpampiasa aterineto.

31 Oktobra 2011

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

16 Oktobra 2011

Sina: Mpianatra Miofana Arak'asa Sa Mpikarama Vary Masaka?

Mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Mizara ny tsy fahafaliany eto anivon'ny aterineto ireo mpianatra tafiditra amin'ilay lasitra "Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina".

06 Oktobra 2011