Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Jolay, 2012
Indonezia: Fisindàna Nataon'ny Video4Change An'ny EngageMedia Momba Ny Lahatsary Ho An'ny Fanovàna Sosialy
Indonezia no firenena nampîantrano ny Video4Change, herinandro manontolo fiatoana izay nivondronan'ireo fikambanana rehetra hiady hevitra momba ny fahafahana mampiasa ny lahatsary amin'ny fanovàna sosialy ary koa hitondrana vahaolana momba ireo tsy fahampian'ny loharam-baovao.
Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena
Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra "mena" nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity
Bangladesh: Nahazo Vokatra Tsara Ireo Zazavavy Na Dia Teo Aza Ny Sakana
Araka ny valin'ny fanadinan'ny Ambaratonga Faharoa Ambony any Bengladesh dia nanao tsaratsara ny zazavavy noho ny zazalahy. Taona vitsy lasa izay, niakatra ny taham-pahafahan'ny mpianatra zazavavy amin'ny fanadinam-panjakana noho ny dingana maro noraisin'ny governemanta.
Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano
Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo...
Pôrto Rikô: Namerina Indray Ny Adihevitra Mikasika Ny Fampiasana Fiteny Roa Any An-tsekoly
Niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanohana ary hatramin'ny mpanakiana ny fanambarana nataon'ny governemanta tao Pôrtô Rikô izay milaza fa manomboka amin'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao amin'ity volana Aogositra ho avy ity, ny fiteny ofisialy ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny firenena dia ovaina miandàlana ho amin'ny fiteny anglisy raha...
Shina: Tolon'ireo ONG Manoloana Ny ‘Governemanta Lehibe’
Nivadika ho adihevitra be teo amin'ny firenena ny fanehoan-kevitra nataon'ny vahiny iray tao amin'ny fahitalavitra momba ny tsy fiaraha-miasan'ireo tomponandraikitry ny fanabeazana any Hunan manoloana ny fandaharanasa ho fanofanana ireo mpampianatra any ambanivohitra, amin'ny hoe tokony sa tsy tokony hanana ny fahaleovantenany ny ONG Shinoa miohatra amin'ny fanjakana.
Mozambika: Fodian'ireo Mpianatra Voaroaka Avy Any Sodana
Dimy tamin'ireo mpianatra telopolo nisoratra hahazo vatsim-pianarana ao amin'ny Anjerimanontolo Iraisampirenen'i Sodana izay, tany akaikin'ny faran'ny Aprily, no nanasonia fitarainana iray teny anatin'ireo tambajotra sosialy, mikasika ny olana ara-bola sy sosialy atrehan-dry zareo ao amin'ity firenena mampiantrano an-dry zareo ity, ary efa tafaverina any Mozambika ...Raha izay mba fantatra, tsy...
Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy
Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka...
Bengladesy: Mampianatra ny Zaza Madinika Hiteny Teny Vahiny sy Handainga Ve Ny Sarimiaina?
Niteraka adihevitra tany Bengladesy ny sarimiaina nalefan'ny Fantsom-pahitalavitra Disney India. Maro no mitaraina fa manosika ny zaza hianatra ny teny Hindi an'ny tany mifanila vodirindrina amin'i Inde, ity sarimiaina ity, ary mahatonga azy ireo handainga ny fandefasana ela loatra ity fandaharana sarimiaina Japoney Doraemon ity.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...