· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Avrily, 2013

Chile : Velona Indray Ny Hetsiky Ny Mpianatra

  22 Avrily 2013

(Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy) Niverina tanaty hery tamin'ny alalan'ny fidinana teny an-dalambe nanerana ny firenena Shiliana ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny fanabeazana maimaipoana sy tsara. Nifamotoana tany amin'ny...

Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

  21 Avrily 2013

Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

  18 Avrily 2013

Rehefa nakisaka ho any Mutum Parana Vaovao – tanàna iray naorin'ny orinasa Energia Sustentável ho toeram-ponenan'ireo enjeniera sy mpiasany – ireo mponina teny amoron-drano izay nakisaka niala tamin'ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo mba hahafahana manone alàlana ny toby famokarana herinaratra ao Madeira River hanafotra rano ilay faritra dia namantana “tanàna matoatoa”, toerana iray izay toa sarotra ho azy ireo ny hiaina ao.

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

  15 Avrily 2013

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo ary mangataka azy izy ireo hanajanona ilay rafitra.