Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Septambra, 2011

29 Septambra 2011

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

22 Septambra 2011

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...

19 Septambra 2011

Bangladesh : Ny Adihevitra Momba Ny Sata Ao Amin'ny Facebook

Facebook dia manomboka ho filazam-baovao ara-tsosialy fanta-daza ao Bangladesh toy ny any amin'izao tontolo izao, kanefa ny satanao ao amin'ny Facebook dia mety hitera-doza ihany indraindray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana nampiharina tamin'ilay mpampianatra mipetraka any ivelany, izany no vokatry ny sata napetrany tao amin'ny Facebook.

14 Septambra 2011

Pakistan: Famporisihana Ny Tanora Ho Amin'ny Ampitso Tonga Lafatra

Ny Ivon-toeram-pianarana Fandriampahalemana sy Laika (Institute of Peace and Secular Studies - IPSS) dia fikambanana kely naorina ho an'ny tanora any Lahore, Pakistan, izay mikendry ny handrisihana ireo tanora Pakistane sady manofana azy ireo hiatrika ny fanambin'ny anio.Koa satria tsy afaka mahazo fanabeazana feno sy ampy ny ankabeazan'ireo tanora any...

13 Septambra 2011

Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea

Katroka 7 Miliara

Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.

06 Septambra 2011

Shina: “Sakafo maimai-poana” ho an'ny Mpianatra Ambanivohitra avy amin'ny Fanampiana madinidinika

Katroka 7 Miliara

Nanakorontana lalina ny fanabeazana Shinoa ny elanelam-pihariana misy eo amin’ny tontolo andrenivohitra sy ny tontolo ambanivohitra. Miantraika amin’ny mpianatra any ambanivohitr’i Shina ny olana ara-drafitra tahaka ny fampianarana, fandraharahana, fotodrafitr’asa ary ny kojakojam-pampianarana noho ny tsy fahampiam-bola. Any amin’ny faritra tena mahantra, na dia ny famahanana ny kilonga mba hananany...

Zimbaboe: Manova ny Fiainan'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Teatra

Katroka 7 Miliara

27 taona i Boyce Chaka, poety sy mpianatra teatra ao Bulawayo, tanàna lehibe faharoa ao Zimbabwe. Nanomboka tamin'ny taona lasa, nanokana ny fotoanany tamin'ny fampianarana ny mpianatra ambaratonga faharoa momba ny sanganasan'i Shakespeare sy ny tononkalo araka izay nambarany fa andrana ny hoe “hanala azy ireo eny an-dalambe [hidonanam-poana].” Amin'ireo taranja hafa mifanindran-dalana amin'ny taranjam-pianarana,...