Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Oktobra, 2009
Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa
Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia...
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh
Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices. Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3...