· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Oktobra, 2017

Kambodza: ​​Mpitantara Antserasera Vaovao 

Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.

26 Oktobra 2017

Shily: Manangana Fahalalana vaovao Momba ny Fanabeazana

Andro vitsivitsy izay, iray amin'ireo lohahevitra misarika ny sain'ireo bilaogera Shiliana ny fanavaozana ara-panabeazana. Nohavaozina ny LOCE, Lalàna Organika ny Lalàm-panorenana momba ny Mpianatra ka lasa lalàna vaovao antsoina hoe Lalàna Ankapoben'ny Fampianarana  (PLEGE).

22 Oktobra 2017

Romania: Mihira Ny Noely

"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese

15 Oktobra 2017