· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Oktobra, 2018

Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray

  23 Oktobra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka ity. Nangataka ny hanafoanana ireo sazy niampangan’ny governemanta azy izy ireo satria noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fanaovana fitokonana tsy ara-dalana....

Panama: Ny Vondron'ny Indizena Kuna Sy Ny Fampiasàna Ny Teknolojia

  22 Oktobra 2018

Zara raha tafiditra amin'ny aterineto sy ireo teknolojia hafa ny vondrona indizena Kuna any Panama. Avy amin'ny foko Kuna i Gilberto Alemancia, sady mpaka sary sy mpitarika mpizaha tany ampy traikefa. Nitarika ny atrikasa momba ny teknika fipihana sary amin'ny fakàntsary niomerika tamin'ireo ankizy any amin'ny faritra lavitra andriana ao amin'ny firenena izy tamin'ny fitsangatsanganana sasany. Nanam-potoana niresadresahana tamin'i Alemancia momba ny hafanàm-pony i Melissa De León.

Toy ny Trano Fijerena Sarimihetsika i Koety

Mbola betsaka kokoa ny zavatra miafinanoho izay hitan'ny mason'ireo blaogera Koetiana. Amin'ity herinandro ity, Avy aminà Koetiana iray mpampianatra, mpamokatra sarimihetsika ary mpanakanto iray no henontsika. Jerentsika ihany koa ny fomba nanehoan'ny blaogera iray hevitra rehefa tapaka ny herinaratra tany am-piasana ary ny antony mampijanona amin'ny 23 ora ny toerana natokana ho an'ny mpiampita eo anelanelan'ny sampanana roa amin'ny trano fivarotana iray.

Vaovao misimisy kokoa momba ny fihaonambe “iSummit Dubrovnik 2007″

  18 Oktobra 2018

Fomba iray mahaliana hamondronana vaovao vaovao sy maharaka izay lazaina amin'ireo lohahevi-dehibe, toy ny hoavin'ny "Commons", ireo "vondrom-piarahamonina", ary ny fomba fampitana izany ho an'ireo izay manandanja izany hoavy izany, dia hoan'ny ny kilonga izany, ny famahanana bilaogy mivantana ny Fihaonambe  "iCommons iSummit".