Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Desambra, 2016
Ireo Lahatsary Fohy Notontosain'ireo Tovolahy Kambodziana Ho Fampitsaharana ny Sotasota Ara-nofo
Maninona no atsahatra ny sotasota ara-nofo? Tanora tsy matianina avy ao Kambodza amin'ny famokarana lahatsary no nitrandraka ny valin'io fanontaniana io mba handrisihana ny olona -- indrindra fa ny lehilahy -- hahatakatra ny fiantraikan'ny sotasota ara-nofo.
Vehivavy Kyrgyz Mpanakanto Mamelona Indray ny Tononkalon'Herimpo Fiantsan-Dehilahy Araka ny Nentin-drazana
Nanozongozona ny sehatry ny mozika ao an-toerana tamin'ny famerenana mahery vaika ny tononkalo maneho herim-po natao ho fototry ny kolontsain'ny firenena Azia Afovoany ilay mpanakanto Kyrgyz Gulzada Ryskulova.
Mpianatra Rosiana Mamorona Fitenin-dRindranasa Teniratsy Ranoiray Hampianarana ireo Tanora Namany Manana Diplaoma
Nanangana tenin-drindranasa mampiasa ny fiteny "gopnik" manokana ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojiam-baovao St. Petersburg.
Milaza ny Mpampianatra Lalàna Fa Fanitsakitsahana Ny Zon'Olombelona Ny Tsy Fahombiazan'ny Fanabeazana Ao Trinidad sy Tobago
Ny fanolorantenan'i Trinidad sy Tobago hatry ny ela mba hisian'ny fanabeazana ho an'ny rehetra dia niara-dàlana hatrany tamin'ny zavamisy henjana iainan'ireo natao anjorom-bàla ao anaty fiarahamonina.
Mahaliana Anao Ve Ny Feminisma Ara-kolontsaina ? Tongava hanatevin-daharana!
Manolotra lahatsoratra 70 amin'ny teny Espaniola ny bilaogy Peroviana miompana amin'ny fampielezana ny fanabeazana ka azo trohana ato amin'ny aterineto izany.
Manombana ny Hoavy Ambany Fitarihan'ny Governora Rosselló sy ny Filoha Trump ny Pôrtô Rikana
Mandanjalanja ny mety ho fiantraikan'ny fampiharana ny politikam-pandalàna ny nentin-drazana avy amin'ny Filoha Donald Trump sy ny Governora Ricardo Roselló ireo mpikatroky ny zon'olombelona ao Pôrtô Rikô.
Kianin'ilay Mpamakafaka Vaovao ho Manimba ny Finamànana Eny Anivon'ireo Toeram-ponenan'ny Mpianatry ny Anjerimanontolo Shinoa ny Toekaren'ny Fanaovana Irakiraka
''Ny hakamoana no hery mitondra ny fandrosoana ara-tsiansa. Noforonina ny milina fanasana lamba satria kamo loatra ny olona hanasa ny akanjony.''