Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2012
Miangavy #AlalahoNyBoky Ny Arzantiniana
Nampirohondrohona ny fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ao Arzantina indray ny famerana vaovao momba ny fanafarana boky. Amin'ny alalan'ny Hitsivolana 28/2012 [es] (noforonina ny 28 Febroary 2012), ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Tetibolam-Panjakana [es] ao...
India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra
Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.
Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina
Ny fanafoanana ny Fianarana Meksikana-Amerikana[mg] sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky...
Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite
Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray...
Mozambika: Ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo
Tamin'ny fotoana nahitanay tsy an-kiato ny firoborobon'ny teknolojia vaovao izay manamora ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao, toy ny smartphone, tablets, Twitter ary ny Facebook, ao Maputo, renivohitr'i Mozambika, niroborobo ihany koa...
Ségou Villages : Mitady Fomba Ahafahana Miditra Aterineto

Miely manerana ny lemaka maina ahitana Baobaba mitsitokotoko etsy sy ery ny tanàna ambanivohitr'i Ségou. Ity faritra ao Mali ity dia miavaka amin'ny fisian'ireo mponina tambanivohitra mivelona amin'ny karazam-pambolena, sy...
Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy
"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.
Loka Bilaogy Tsara Indrindra (Best of the Blogs): Efa nametraka ny Bilaoginao Ao Ve Ianao?
Efa nandefa ny bilaoginao amin'ilay Loka Bilaogy tsara indrindra 2012 (Best of the Blogs (BoBs)ve ianao, ry vondrona amin'ny valan-tserasera, na ry tompon-kevitra antserasera? Ny BoBs dia fifaninanana bilaogy fanao isan-taona karakarain'ny...
Espaina: Mbola Mitohy Hatrany Ny Fanenjehana Ny Mpianatra Ao Valencia
Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana, dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo
Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly
Ato anatin'ity famoahana ity isika dia handeha ho any an-tsekoly. Miainga amin'ny fanabeazana henjana be any amin'ny Reniranon'i Niger, ary hatramin'ny fisaintsainana ny sasany amin'ireo fotoana mamy sy tsy hay hadinoina indrindra tamin'ny fotoana nandratoan'ireo mpandray anjara manerana izao tontolo izao ato amin'ny Global Voices fanabeazana. Kadoa: Ny fomba nahaizan'i Ethan nitendry haingana be.