Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Aogositra, 2010
Jordania: Reema, Tsy avelanay ho zava-poana ny fahafatesanao
Reny 35 taona, manan-janaka 3, no maty novonoin'ny vadiny nandritra ny torimasony tany Jordany . Nihevitra ny vadiny fa "tratry ny mosavy " ny vady andefimandriny ka mety ho izy no hovonoiny voalohany. Tantaran'ny maty feno alahelo no nosoratan'ny zana-drahavaviny ao amin'ny aterineto ary antso maro no nalefa mba tsy ho zava-poana ny fahafatesany .
Etazonia: Miblaogy momba ny fandaharam-pianarana “Asa sy Fitetezam-paritra” ireo mpianatra miteny Rosiana

Isaky ny faharavatra, an'arivony ireo mpianatry ny kolejy avy any Rosia, Ukraine ary ireo firenena hafa Soviety taloha no tonga any Etazonia mba handray anjara amin'ny fandaharam-pianaranan'i Etazonia momba ny Asa sy Fitetezan-tany [EN]. Maro ireo manoratra blaogy momba ireo zava-niainany sy ireo heviny.
Brezila: Fampisehoana vetaveta amin'ny aterineto, haino aman-jery sosialy ary ny andrikitry ny ray aman-dreny
Zatovo tsy ampy taona roa Braziliana nanao "fampisehoana vetaveta" no nojeren'ny olona maherin'ny 25 000. Ankoatran'izy roa ireo, manodidina ny 3 arivo ka hatramin'ny iray alina ireo olona mety nisintona sy nizara ilay horonantsary ary hanaovana fanadihadiana izy ireo amin'izao fotoana izao.
Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika
Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.