Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2013
Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona
Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona...
Filipina: Mpianatra Iray Namono Tena Rehefa Noterena Hanapaka Ny Fianarany Noho Ny Saram-pianarana Tsy Voaloa
Namono tena tamin'ny Zoma maraina lasa teo ny tovovavy iray 16 taona mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Filippina, ao Manila taorian'ny nanakanan'ny mpitantana ny sekoly azy tsy hanatrika ny fampianarana intsony noho ny resaka saram-pianarana tsy voaloa. Nivatravatra manerana ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy rehetra ny alahelo sy ny fiaraha-miory manodidina ny fahalasanany. Maro ihany koa ireo naneho ny hatezerany manoloana ny rafi-pampianarana diso atao resa-barotra loatra ao amin'ny firenena.
Fijery Ao Anatiny Momba Ny Oniversite Indizeny ao Venezoela

Tahaka ny ahoana ny andavanandron'ny mpianatra ao amin'ny UIV, Oniversite indizeny ao Venezoela [es] ? Mpianatra telo avy ao amin'ny sampana educommunication (fampianarana sy fifandraisana) [fr] no nandray anjara tamin'ny atrikasa nokarakarain'ny Rising Voices vao...
Ejypta : Famaritana ny Fahalalahana Nomerika

Tamin'ny volana febroary lasa teo, namoaka ny fanadihadiana voalohany [amin'ny teny arabo] momba ny fahalalahana nomerika ny fikambanana miaro ny fahalalahan-kevitra sy fahalalaham-pitenenana ao Ejypta; lahatsoratra mamariparitra ireo karazana zon'Olombelona sy...
Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar
Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny...
Kianja Sa Sekoly: Diso Toerana Ny Laharam-Pahamehana Ao Slovakia
Tsy misy vola ampy hanomezana karama sahazo ho an'ireo Slovaky mpampianatra, saingy misy kosa ny vola hananganana kianja filalaovana baolina kitra manerana ny firenena. Tibor Blazko mitatitra momba ny hadisoan'ny governemanta Slovaky amin'ny laharam-pahamehana amin'ny famatsiam-bola.
LAHATSARY: Ao Bolivia, Mitantara Fohy Ny Fiarahamonina Ao Aminy Ireo Vehivavy Teratany
MPitarika amin'ny vondro-piaraha-monina teratany ao Cochabamba, Bolivia i Marisol, izay voatery hifindra tao an-tanàna mba hitady zavatra mahasoa sy tsaratsara kokoa tahaka ireo vehivavy indizeny maro. Iray amin'ireo vehivavy maneho ny heviny ao...