#MeTooSebat (SebatKoaAho): Ny Media Sosialy No Alain'ireo Kirgyzstan Mba Hiadiana Hevitra Mikasika An'ireo “Sekoly Gulen” Miteraka Resabe

Lisea Aitmatov Kyrgyz-Turkish ho an'ireo tovolahy ao Bishkek (Sary: Lisea Chingiz Aitmatov Kyrgyz-Turkish). Asongadina eo amin'ny Eurasianet.

Nivoaka teo amin'ny Twitter tao Kyrgyzstan ny tenifototra #MeTooSebat nataon'ireo mpianatra fahiny tao amin'ilay sekoly tsy miankina  voasarik'ilay manampahaizana tiorka, Fethullah Gulen, mahabe resaka, mba hitantarana ny tantaran'ireo mpampianatra lozabe sy manao fampitahorana manara-drafitra, raha toa ireo hafa kosa miaro ny lazan'ny sekoly amin'ny lafiny fahombiazana ara-akademika.

Tamin'ny ririnina, nisy ireo tranganà mpitabataba, izay tsy natory mihitsy, ka navoaka tany ivelany nandritry ny alina niaraka tamin'ny akanjomandriny ary nasaina nihazakazaka nanao fihodinana imbetsaka tamin'ny trano fatorian'ny kilasimandry.

Misy loko jeopolitika ilay tenifototra satria ny filoham-pirenena Tiorka Recep Tayyip Erdogan dia nanao tsindry tamin'ilay mpiaradia kely amin'i Ankara ao Azia Afovoany – sy ireo governemanta hafa avy any ivelany – mba hanakatonany an'ireo toeram-pampianarana rehetra misy fifandraisany amin'ny Gulen, fahavalo mpanindrotsindrona azy.

Nolazain'ny governemanta Tiorka fa hatramin'ny fotoana ela no efa nikasa handrava ny Fanjakana Tiorka avy any amin'ny toerana anaovany sesitany ny tenany, any Etazonia i Gulen, sady atidoha nikotrika ny fanonganam-panjakana tsy tanteraka tao amin'ny firenena tamin'ny taona 2016.

Vokatr'ilay fanonganana tsy nahomby, noteren'ireo diplomaty Tiorka ireo governemanta any ivelany, nanomboka tao Azerbaijan hatrany Angola mba hiroso amin'ny fanakatonana an'ireo sekoly Gulen.

Kyrgyz iray mpampiasa Twitter no nihanihany fa manakarama mpampiasa Twitter ny filoham-pirenena Tiorka Recep Tayyip Erdogan mba hibitsihan'izy fitarainana momba ilay sekoly.

Raha maro ireo mpiaradia amin'i Tiorka no namaly ny antson'i Ankara  hanakatona an'ireo sekoly, nikaroka vahaolana fahatelo kosa i Kyrgyzstan sy Kazakhstan, manome alalana azy ireo hijanona saingy hanova ny anaran'izy ireo sy hampitombo ny fanarahamason'ny governemanta an'ireo rafitra fitantanan-dry zareo.

Ny mpitarika Tiorka dia imbetsaka no nilaza fa tsy afa-po amin'io fomba fifanatonana io izy.

Ao andamosin'ny #MeTooSebat, Kyrgyz iray mpanao lalàna fara-fahakeliiny no efa niantso fanadihadiana lalina mikasika an'ireo sekoly, malaza amin'ny fananany tsiambaratelo, izay mahakivy an'ireo ray amandreny nihevitra azy ireny ho toy ny safidy azo leferina manoloana ny rafitra fampianarana an'ny fanjakana misedra fahasahiranana.

Marobe ireo mpampiasa Twitter no nanamarika fa ireo fanahin-jiolahim-boto sy ireo fihoaram-pefy hafa notaterina momba ny ao anatin'ireo sekoly avo lenta indrindra, dia tsy inona akory fa ny tendrony amin'ny ranomandry goavambe mikasika an'ireo aretin'ny tsekoly manerana ny firenena izay matetika no tsy ahitan'ireo tomponandraikitra vahaolana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.